Hijery ny anatiny

Ny Anabavy Galina Parkova

25 JANOARY 2021
ROSIA

Miandry ny Didim-pitsarana Momba Azy ny Anabavy Galina Parkova, Nefa Efa Migadra ny Vadiny

Miandry ny Didim-pitsarana Momba Azy ny Anabavy Galina Parkova, Nefa Efa Migadra ny Vadiny

Datin’ny didim-pitsarana

Tokony hamoaka didim-pitsarana momba ny Anabavy Galina Parkova atsy ho atsy ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Rostov-on-Don. a Raha voaheloka izy amin’io, dia asain’ny mpampanoa lalàna migadra telo taona.

Ilay voampanga

Galina Parkova

  • Teraka: 1970 (Tany Kaltan)

  • Mombamomba azy: Nanambady an’i Aleksandr i Galina tamin’ny 1990. Manan-janaka telo vavy sy zafikely roa ry zareo. Niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Natao batisa izy tamin’ny 1995. Tia mihira sy manao sary izy

Mombamomba an’ilay raharaha

Nampangain’ny manam-pahefana hoe mpanao heloka bevava i Galina tamin’ny 6 Jona 2019. Herinandro maromaro talohan’io anefa i Aleksandr vadiny no efa nosamborina sy voatana am-ponja vonjimaika.

Tena lasa sahirana ara-bola izy, rehefa nigadra ny vadiny. Natsahatry ny manam-pahefana koa ny karta fakany vola, ka lasa tsy afaka maka vola ao amin’ny kaontiny izy, na dia ny karamany aza. Niala tamin’ny asany àry izy dia tsy maintsy nanao asa an-tselika mba hivelomany. Tsy voatery mankany amin’ny banky mantsy izy amin’izay, vao maka karama.

“Olo-marina atao hoatran’ny hoe nanao ratsy” ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia. (Mpitoriteny 8:14) Tena mampahery antsika anefa ny tantaran-dry zareo satria manam-pinoana ry zareo. Manampy antsika tsy hivadika mihitsy izany, na inona na inona olana mety hatrehintsika.

a Tsy azo fantarina mialoha foana hoe rahoviana ny fitsarana no hamoaka didy.