Hijery ny anatiny

Rahalahy Yevgeniy Yakku sy Irina vadiny

17 MEY 2021
ROSIA

Miantehitra Amin’i Jehovah ny Rahalahy Yevgeniy Yakku mba Hanam-pahendrena Rehefa Tsaraina

Miantehitra Amin’i Jehovah ny Rahalahy Yevgeniy Yakku mba Hanam-pahendrena Rehefa Tsaraina

VAOVAO FARANY | Mbola Nomelohin’ny Fitsarana Rosianina ny Rahalahy Yevgeniy Yakku, Rehefa Nampakatra Fitsarana

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Arkhangelsk, tamin’ny 1 Oktobra 2021, ny fangatahana nataon’ny Rahalahy Yakku, rehefa nampakatra fitsarana izy. Mbola manan-kery ny didim-pitsarana navoakan’ilay fitsarana teo aloha

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Solombalskiy, any Arkhangelsk, ny Rahalahy Yevgeniy Yakku, tamin’ny 19 Jolay 2021, dia nasainy nandoa onitra 880 000 roubles (50 tapitrisa ariary eo ho eo). Tsy migadra izy.

Ilay voampanga

Yevgeniy Yakku

  • Teraka: 1980 (tany amin’ny Tanànan’i Sosnovets, Repoblikan’i Carélie)

  • Mombamomba azy: Efa tamin’izy mbola tanora no variana rehefa nahita hoe tanteraka daholo ny faminanian’ny Baiboly. Natao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2006. Nifindra tany Arkhangelsk mba hianatra tany amin’ny oniversite fianarana momba ny varotra. Nanambady an’i Irina tamin’ny 2007. Tia manao dia lavitra sy mandehandeha ry zareo

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao bemidina vao maraina tany an-tranon’ny Rahalahy Yevgeniy Yakku ny manam-pahefana rosianina, tamin’ny 18 Febroary 2019. Nosamborin-dry zareo izy satria nanao asa “mampidi-doza”, hono. Notazonin’ny polisy tany an-toerana roa andro tany am-ponja izy. Tsy mba nampahafantarina akory ny namany sy ny fianakaviany tamin’izay hoe tany am-ponja izy.

Rehefa nafahana i Yevgeniy dia tsy navela hivoaka ny tranony rehefa alina. Tsy navela hanao fivoriana tao an-tranony koa izy, na inona na inona karazan’ilay fivoriana. Tsy azony natao koa ny niresaka tamin’ny olon-kafa rehetra tafiditra tamin’ilay raharaha, na tamin’ny telefaonina izany, na tamin’ny e-mail, na tamin’ny Internet. Efa fito volana taorian’izay vao nesorin’ny fitsarana ny fameperana sasany ka lasa afaka mivoaka ny trano izy rehefa alina.

Nampangaina ho nandamina asa “mampidi-doza” indray i Yevgeniy, tamin’ny 25 Novambra 2019. Mbola nisy zavatra hafa be dia be koa niampangana azy, tatỳ aoriana. Raha voaheloka izy, dia mety higadra hatramin’ny 15 taona mihitsy. Lasa tsy an’asa i Yevgeniy vokatr’ilay izy nampangaina. Nogiazan’ny banky koa ny kaontiny ka tsy afaka maka vola izy. Nalain’ny manam-pahefana koa ny aotomobiliny anankiroa.

Vao mainka niezaka natoky kokoa an’i Jehovah i Yevgeniy sy Irina nandritra an’izany fotoan-tsarotra izany. Hoy i Irina: “Hitako hoe namaly ny vavaka nataoko i Jehovah, sady nataony tamin’ny an-tsipiriany mihitsy. Nikarakara anay sy Zhenya [Yevgeniy] foana koa izy. Lasa faran’izay te hankasitraka an’azy aho noho izany.”

Nisy fotoana, ohatra, i Irina nivavaka tamin’i Jehovah mba homeny fo tony ny vadiny, dia mba hahay hanazava tsara ny zavatra inoany rehefa tsaraina. Nataony tamin’ny an-tsipiriany mihitsy ilay vavaka. Nivavaka hoatr’izany koa i Yevgeniy. Hoy izy: “Nangataka fahendrena tamin’i Jehovah aho isaky ny handeha hadinadinina na handeha ho any amin’ny fitsarana.” Dia tena tsapany hoe namaly ny vavaka nataony i Jehovah. “Izay tokony ho noteneniko mihitsy no voateniko tany, fa tsy be resaka aho.” Hoy koa izy: “Asehon’i Jehovah mihitsy hoe tsy mandao an’ahy izany izy. Ataony hitako mihitsy koa hoe mamaly ny vavaka ataoko izy. Vao mainka hitako tsara hoe manampy an’ahy izy.”

Mbola miandry an’ilay didim-pitsarana isika izao. Azontsika antoka anefa hoe mbola hanampy an’i Yevgeniy foana i Jehovah mba ho sahy hiaro ny finoany izy, nefa “halemy fanahy sy ho feno fanajana” rehefa manao an’izany.​—1 Petera 3:15.