Hijery ny anatiny

Rahalahy Andrey Okhrimchuk

3 AOGOSITRA 2021
ROSIA

Miantehitra Amin’ny Hery Omen’i Jehovah ny Rahalahy Andrey Okhrimchuk

Miantehitra Amin’ny Hery Omen’i Jehovah ny Rahalahy Andrey Okhrimchuk

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny fitsarana ambony ambaratonga fahefatra ny fitarainana nalefan’ny Rahalahy Andrey Okhrimchuk, tamin’ny 3 Febroary 2022. Mbola manan-kery àry ilay sazy mihantona efa-taona nomena azy tamin’ny voalohany. Mbola tsy nampidirina am-ponja aloha izy izao.

Zava-nitranga

  1. 22 Mey 2019

    Vao maraina be dia nisy polisy nisaron-tava nanao savahao ny tranon-dry Andrey sy ny fiarany

  2. 29 Oktobra 2020

    Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy, satria hoe nandray anjara tamin’ny fivoriana ara-pivavahana tsy ara-dalàna sady nanohana ny zavatra ataon’ny fikambanana mampidi-doza

  3. 5 Aprily 2021

    Nanomboka ny fitsarana azy

  4. 2 Aogositra 2021

    Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Rostov-on-Don i Andrey. Sazy mihantona efa-taona no nomen’ny fitsarana azy

  5. 4 Oktobra 2021

    Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Rostov ny fampakarana fitsarana nataon’i Andrey. Mbola manan-kery ny sazy nomena azy tamin’ny voalohany

Ilay voampanga

Ohatra tsara ho antsika ireo rahalahy sy anabavy any Rosia satria tena manam-pinoana. Mino isika fa hahavita hiaritra ny fitsapana mahazo azy i Andrey sy ny fianakaviany. Miantehitra tanteraka amin’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, mantsy izy ireo.​—Salamo 37:5.