Hijery ny anatiny

Pr. Sergey Igorevich Ivanenko, manam-pahaizana momba ny fivavahana ary fantatry ny fanjakan’ny Federasionan’i Rosia tsara

18 OKTOBRA 2019
ROSIA

Miaro ny Vavolombelon’i Jehovah eny Amin’ny Fitsarana ny Manam-pahaizana Iray Momba ny Fivavahana any Rosia

Miaro ny Vavolombelon’i Jehovah eny Amin’ny Fitsarana ny Manam-pahaizana Iray Momba ny Fivavahana any Rosia

Nisy Vavolombelon’i Jehovah enina notsaraina tany Saratov, tamin’ny 4 Septambra 2019. Nasaina nijoro ho vavolombelona hiaro azy ireo ny Pr. Sergey Igorevich Ivanenko, tamin’izay. Manam-pahaizana momba ny fivavahana izy ary fantatry ny fanjakana tsara. Nanoratra boky roa momba ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia ny Pr. Ivanenko ary mahafantatra tsara an’ireo boky ireo ny manam-pahaizana. Toy izao ny ampahany amin’ny teny nolazainy teo anatrehan’ny fitsarana, rehefa avy nianiana izy fa hilaza ny marina:

Ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fiainany. “Tsy mitovy amin’ny fivavahana hafa ny Vavolombelon’i Jehovah satria tsy manaraka fitsipika hentitra be sady tsy manaraka olona iray. Mifanampy kosa izy ireo mba ho voavolavolan’ny Baiboly ny feon’ny fieritreretany, ka ny tsirairay no hanapa-kevitra amin’izay hataony, mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly.

“Miezaka manaraka an’izay voalazan’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoatr’izany mantsy no nataon’i Jesosy Kristy sy ny mpianany, tamin’ny taonjato voalohany.

“Miaraka manompo an’Andriamanitra izy ireo ka mianatra Baiboly, mamaly fanontaniana ara-baiboly, ary manao hira miorina amin’ny Baiboly. Manao an’izay azony atao àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanarahana an’izay voalazan’ny Baiboly amin’ny zava-drehetra ataony.

“Mino koa izy ireo hoe tokony ho anisan’ny fiangonana iray ny Kristianina tsirairay. Hitan’izy ireo tao amin’ny Testamenta Vaovao mantsy hoe inona no nataon’i Jesosy Kristy sy ny mpianany ary ahoana no niforonan’ny fiangonana kristianina. ... Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hino hoe tokony ho anisan’ny fiangonana izy ireo mba hiara-manompo an’Andriamanitra.

“Asongadin’izy ireo foana hoe ny fifankatiavana no hamantarana ny mpianatr’i Jesosy Kristy.”

Ny fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. “Mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah koa ilay ry zareo mitory. Hitako hoe ny Vavolombelon’i Jehovah no tena mafana fo sy mazoto mitory indrindra amin’ny fivavahana rehetra. Ny an-dry zareo tsy maintsy mitory daholo ny Vavolombelona tsirairay.

“Matetika izy ireo no miteny hoe: ‘Izao no lazain’ny Baiboly.’ Afaka manamarina ao amin’ny Baiboliny ilay olona, amin’izay. Raha manaiky an’izay lazain’izy ireo momba ny Baiboly ilay olona, dia afaka miova ho Vavolombelon’i Jehovah. Raha tsy manaiky izy, dia tsy miova ho Vavolombelon’i Jehovah. Tsy manery olona hiova fivavahana mihitsy izy ireo.”

Ny fiampangana ny Vavolombelon’i Jehovah hoe mampidi-doza. “Nolazaina fa mampidi-doza ny boky sasany navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitan’ny manam-pahaizana mantsy hoe voalaza ao amin’ireny boky ireny fa ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no marina fa diso daholo ny fivavahana hafa. Milaza zavatra hoatr’izany koa ny fivavahana hafa nefa ny Vavolombelon’i Jehovah ihany no ampangaina hoe mampidi-doza. Noraisin’ny manam-pahefana ho fanindrahindrana fivavahana ny nataon’izy ireo rehefa nilaza hoe ny azy ihany no marina.

“Manam-pahaizana momba ny fivavahana aho, dia hitako hoe tsy nety ilay fanapahan-kevitry ny fitsarana. Rehefa jerena mantsy ny fivavahana rehetra, dia samy miteny daholo hoe ny azy ihany no fivavahana marina fa diso daholo ny hafa.

“Mino ny mpivavaka rehetra hoe ny fivavahana misy azy no marina fa diso tanteraka na misy diso ny fivavahana hafa. Mihatsaravelatsihy izy raha tsy mino an’izany akory.

“Miezaka mafy koa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hankatò ny manam-pahefana raha mbola tsy mifanipaka amin’ny lalàn’Andriamanitra izay takin’izy ireo. Izany no mahatonga antsika haheno tantara be dia be hoe nisy Vavolombelon’i Jehovah namerina vola very, na nandoa hetra na dia azony nialana aza ilay izy. Misaina tsara izy ireo rehefa manapa-kevitra hanao an’izany fa tsy hoe mody manao ny marina fotsiny. Amiko, dia tsy tokony hampangaina ho mampidi-doza mihitsy izy ireo.”

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Baiboly. “Mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny fampiasany Baiboly fandikan-teny isan-karazany rehefa mianatra sy mitory. Zava-dehibe amin’izy ireo ny mizara Baiboly amin’ny fiteny maro. Tsy misy fivavahana hoatr’izany mihitsy. Nolazaina fa mampidi-doza moa ny Baibolin-dry zareo atỳ amintsika. ... Nieritreritra angamba ny olona nandrara an’ilay Baiboly hoe miraiki-po be amin’io Baiboly io ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy hitory intsony izy ireo raha tsy afaka mampiasa an’io Baiboly io. Diso anefa izany. Sarobidy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah daholo ny Baiboly na fandikan-teny inona na fandikan-teny inona.”

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fikambanana ara-dalàna nampiasainy. “Hita amin’ilay fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampon’ny Federasionan’i Rosia hoe ... tsy nanana fikambanana ara-dalàna ny ankamaroan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ... Diso àry izay milaza hoe anisan’ny fikambanana ara-dalàna daholo ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny toerana iray.

“Raha ny amin’ny fikambanana ara-dalàna indray, dia ... efa nandinika ny antontan-taratasin’izy ireo aho ary hitako fa tsy misy resaka hoe mpiandraikitra, na anti-panahy, na mpisava lalana, na ny hoatr’izany ao. Matetika izy ireny no miresaka momba ny mpanorina an’ilay fikambanana, ary olona folo eo ho eo izy ireo. Mifandray amin’ny lalàna ny andraikitr’izy ireo ao fa tsy mifandray amin’ny fivavahana. Tsy misy toerana manokana tanany ao amin’ilay fiangonana ary tsy manana fahefana handray fanapahan-kevitra mifandray amin’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. ... Mitovy daholo ny fomba anompoan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’Andriamanitra, na aiza na aiza firenena na faritra misy azy.

“Miezaka mankatò an’ilay [didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony izay nanafoana ny fikambanana ara-dalàna] ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola manohy manao zavatra mifandray amin’ny fivavahany anefa ny tsirairay amin’izy ireo ary tsy noraran’ny fanjakana izany. Araka ny fijeriny dia zony ny manao an’izany, ary amin’ny maha manam-pahaizana momba ny fivavahana ahy, dia miombon-kevitra amin’izy ireo aho hoe tsy mandika ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana Tampony izy ireo.”

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fampidiran-dra. “Milaza ny Baiboly hoe ‘ao amin’ny ra ny aina.’ Tsy tokony hampiasaina àry ny ra. Ny fihinanana ra no noraran’ny Baiboly rehefa jerena ny teny manodidina. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa mampihatra an’ilay izy amin’ny fomba malalaka kokoa. Mino izy ireo hoe tsy tokony hohanina ny ra sady tsy tokony hampidirina amin’ny vatana. Miankina amin’ny tsirairay amin’izy ireo anefa na hanaiky hampidirana zavatra kely avy amin’ny taharo fototry ny ra izy na tsia. ... Tsy hoe te ho faty akory izy ireo raha tsy manaiky hampidiran-dra, fa mitady ny fitsaboana tsara indrindra. Mihevitra izy ireo sy ny dokotera maro hoe atahorana hankarary ny fampidiran-dra satria mety hahavoan’ny SIDA sy ny aretina hafa. Azo antoka kokoa anefa ny fandidiana tsy misy fampidiran-dra. Nanao fanadihadiana koa aho dia hitako hoe be dia be ny mpanankarena mifidy ny tsy hampidiran-dra satria azo antoka kokoa izany sady mahasitrana haingana kokoa.”

Ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny vola fanomezana. “Afaka mifidy ny tsy hanao fanomezana mihitsy ny olona iray. Mety hisy olona hanatrika fivoriana any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mandritra ny androm-piainany manontolo nefa tsy manome vola fanomezana mihitsy na ny kely fotsiny aza. Safidin’ny tsirairay na hanome izy na tsia.”

Marina fa manam-pahaizana ny Pr. Ivanenko ary nilaza teo anatrehan’ilay fitsarana fa olona misaina tsara ny Vavolombelon’i Jehovah sady mpankatò lalàna. Tsy noraharahain’ilay fitsarana anefa ny porofo narosony ary nomelohina higadra ihany izy enina mirahalahy.

Mbola ampangaina sy gadraina tsy ara-drariny foana ny mpiara-manompo amintsika any Rosia, izay be herim-po sy tsy mivadika. Mivavaka isika mba hampian’i Jehovah hiaritra sy ho faly foana izy ireo, ary ho tsapany hoe mankasitraka azy i Jehovah.—Salamo 109:2-4, 28.