Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Vladimir Suvorov sy Valentina vadiny

15 JONA 2021
ROSIA

Miatrika Fanenjehana ny Rahalahy Iray 75 Taona any Tcheliabinsk

Miatrika Fanenjehana ny Rahalahy Iray 75 Taona any Tcheliabinsk

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana Nataon’ny Rahalahy Vladimir Suvorov

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Tcheliabinsk tamin’ny 15 Oktobra 2021 ny fangatahana nataon’ny Rahalahy Suvorov tamin’izy nampakatra fitsarana. Mbola manan-kery ny sazy nomena azy tamin’ny voalohany. Tsy migadra izy amin’izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Metallurgichesky any Tcheliabinsk ny rahalahy 75 taona atao hoe Vladimir Suvorov, tamin’ny 1 Jolay 2021. Nahazo sazy mihantona enina taona izy.

Ilay voampanga

Vladimir Suvorov

  • Teraka: 1946 (tany Tcheliabinsk)

  • Mombamomba azy: Nikojakoja milina sy nanao tantara an-tsehatra no asany. Efa talen’ny Foiben’ny Kolontsaina Sovietika koa izy taloha. Tia mamoron-kira sy mitendry gitara izy

    Nivady izy sy Valentina tamin’ny 1973. Natao batisa tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’ny 1993. Nanan-janaka lahitokana atao hoe Igor izy ireo. Matin’ny kansera i Igor tamin’ny 2014

Mombamomba an’ilay raharaha

Nampangaina hoe mpanao heloka bevava i Vladimir Suvorov, rahalahy 75 taona any Tcheliabinsk, tamin’ny 16 Janoary 2020. Nampangain’ny mpanao famotorana i Vladimir satria nandamina fotoam-pivavahana, anisan’izany ny hoe nihira hiram-pivavahana sy nivavaka ary niresaka momba ny Baiboly.

Nanomboka nanadihady azy ny polisy tamin’ny Febroary 2020, ary tsy navela niala teo an-toerana izy. Voaheloka tamin’ny fomba ofisialy hoe mpanao heloka bevava izy tamin’ny 17 Jona 2020. Nohazavain’i Vladmir fa ny zava-tsarotra vokatr’ireny tsy rariny nahazo azy ireny no anisan’ny fitsapana mafy indrindra teo amin’ny fiainany. Hoy anefa izy: “Tsy nanary anay izany mihitsy i Jehovah Andriamanitra. Vao mainka mihamafy foana ny fifandraisanay aminy. Hoatran’ny hoe hitanay mihitsy ny tanan’i Jehovah manampy anay. Mampiasa ny mpiara-manompo ao amin’ny fiangonanay sy any amin’ny fiangonana hafa izy mba hampaherezana sy hanatanjahana ary hampiononana anay.”

Voaheloka i Valentina, 73 taona tamin’ny 11 Martsa 2021. Ilay fitsarana mitsara an’i Vladimir ihany no nanome azy sazy mihantona roa taona. Samy matoky izy mivady a hoe mbola hanohana azy ireo foana i Jehovah.—Salamo 118:6.

a Jereo ny fanadihadiana ny Rahalahy sy Anabavy Suvorov ao amin’ny Vaovao Farany avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana (2021) #4 (10:02).