Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Andrey Danielyan sy Nina vadiny

9 NOVAMBRA 2022
ROSIA

Migadra Enin-taona ny Rahalahy Andrey Danielyan

Migadra Enin-taona ny Rahalahy Andrey Danielyan

Nomelohin’ny Fitsaran’i Rubtsovskiy, any amin’ny Faritanin’i Altaï, ny Rahalahy Andrey Danielyan, tamin’ny 7 Novambra 2022, ka nosaziny enin-taona any am-ponja. Tonga dia nogadraina teo no ho eo izy.

Zava-nitranga

  1. 25 Mey 2021

    Nanomboka ilay raharaha, rehefa avy narahi-maso an-tsokosoko amam-bolana ny zavatra nataon’i Andrey

  2. 26 Mey 2021

    Nosavana ny tranony. Voatana i Andrey sy ny vadiny dia natao famotorana. Tsy navela hiala tao amin’ny faritra nisy azy i Andrey

  3. 13 Jolay 2022

    Voaheloka tamin’ny fomba ofisialy satria hoe nandamina ny asan’ny fikambanana mampidi-doza

  4. 5 Septambra 2022

    Nanomboka ny fitsarana

  5. 7 Novambra 2022

    Voaheloka higadra enin-taona

Ilay voampanga

Mahafinaritra erỳ fa tena ohatra tsara i Andrey sy ny rahalahy sy anabavy be dia be hafa, satria tapa-kevitra ny hahafoy tena ho an’Andriamanitra ry zareo, sady mibanjina an’ilay ‘fiainana ho avy, araka ny efa nampanantenaina.’​—1 Timoty 4:8.

a Afaka niresaka tamin’ny Rahalahy Danielyan izahay taloha kelin’ny nanamelohana azy.