Hijery ny anatiny

Tribonalin’i Kaluga, any Rosia

16 OKTOBRA 2019
ROSIA

Milaza ny Fitsarana Ambony any Rosia hoe Misy Mpitsara Mandika Lalàna

Milaza ny Fitsarana Ambony any Rosia hoe Misy Mpitsara Mandika Lalàna

Nilaza i Svetlana Anatolyevna Prokofyeva, mpitsara ao amin’ny fitsarana ambony any Kaluga, tamin’ny 9 Septambra 2019, hoe tena tsy mety mihitsy ny nataon’ny Fitsaram-paritr’i Kaluga rehefa namoaka didy hoe tanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Dmitriy Kuzin.

Niavaka iny didy navoakan’ny Mpitsara Prokofyeva iny satria mahalana vao misy miaiky hoe tsy rariny ny ataon’ny fitsarana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Nanome tsiny an’ilay fitsaram-paritra izy satria nandika lalàna maromaro io fitsarana io. Nesoin’ilay fitsarana mantsy ny Rahalahy Kuzin noho ny zavatra inoany, ary tsy navela hiaro tena izy. Nomarihin’ny Mpitsara Prokofyeva tao amin’ny didim-pitsarana navoakany hoe “tena tsy rariny mihitsy ny fomba nitsaran’ilay mpitsara” tao amin’ilay fitsaram-paritra.

Ny Rahalahy Dmitriy Kuzin sy Svetlana, tamin’ny mariazin’izy ireo tamin’ny 2013

Tamin’ny 26 Jona 2019 ny Rahalahy Kuzin no nosamborina. Nanao bemidina tao an-tranony ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) avy tao Kaluga, tamin’izay. Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Kaluga, roa andro taorian’izay, hoe tanana am-ponja vonjimaika mandritra ny roa volana ny Rahalahy Kuzin. Nangataka an’io fitsarana io ny mpanao famotoran’ny FSB, tamin’ny 19 Aogositra, mba hotanana am-ponja roa volana fanampiny ny Rahalahy Kuzin. Nanaiky ilay fitsarana.

Nampakarin’ny Rahalahy Kuzin tany amin’ny fitsarana ambony kokoa ilay raharaha, ary i Svetlana Prokofyeva no mpitsara ao amin’io fitsarana io. Nasainy naverina tany amin’ilay fitsarana nitsara azy voalohany ilay raharaha mba hotsarain’ny mpitsara hafa, satria hitany hoe nandika lalàna ilay mpitsara tamin’ny voalohany. Mampalahelo fa mbola namoaka didy ilay mpitsara vaovao, tamin’ny 23 Septambra, hoe tanana am-ponja vonjimaika roa volana fanampiny ny Rahalahy Kuzin.

Matoky an’i Jehovah, ilay Andriamanitra manao ny rariny sy tsy mivadika, isika. Azo antoka hoe hokarakarainy foana ny rahalahy sy anabavintsika mitoky aminy any Rosia.—Deoteronomia 32:4, 9-11.