Hijery ny anatiny

Milaza ny manam-pahaizana vitsivitsy momba ny zon’olombelona, ao amin’ny ONU, fa nosamborina sy nogadraina tsy ara-drariny ireto rahalahy sy anabavy folo ireto sy ny valo hafa: Andrey Magliv, Igor Egozaryan, Ruslan Korolev, Vladimir Kulyasov, ary Valeriy Rogozin (laharana ambony, avy eo ankavia miankavanana); Valeriy Shalev, Tatyana Shamsheva, Olga Silayeva, Aleksandr Solovyev, ary Denis Timoshin (laharana ambany, avy eo ankavia miankavanana)

18 MEY 2020
ROSIA

Milaza ny Manam-pahaizana ao amin’ny ONU fa Mandika ny Lalàna Iraisam-pirenena i Rosia Satria Managadra Vavolombelon’i Jehovah 18

Milaza ny Manam-pahaizana ao amin’ny ONU fa Mandika ny Lalàna Iraisam-pirenena i Rosia Satria Managadra Vavolombelon’i Jehovah 18

Namoaka boky manameloka an’i Rosia ny manam-pahaizana vitsivitsy momba ny zon’olombelona, ao amin’ny Firenena Mikambana (ONU). Lazain’izy ireo ao hoe mandika ny lalàna iraisam-pirenena i Rosia, satria Vavolombelon’i Jehovah 18 no nosamboriny sy nogadrainy any amin’ny tanàna samy hafa, nanomboka tamin’ny Mey 2018 ka hatramin’ny Jolay 2019. Takin’ireo manam-pahaizana ireo ny hanafahan’i Rosia avy hatrany an’ireo Vavolombelona mbola migadra, sy ny hanaovany an’izany tsy misy fepetra.

Efa navoaka tamin’ny 15 Mey 2020 ny santionany amin’ilay boky. Mbola hohatsaraina ilay izy, ary hivoaka tsy ho ela ao amin’ny tranonkalan’ny ONU.

Anisan’ny Fikambanana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny ireo manam-pahaizana ireo. Fanintelony amin’ity izao io fikambanana io no nanao zavatra hiarovana ny mpiara-manompo amintsika, tao anatin’ny herintaona. Lazainy ao amin’io boky farany navoakany io fa meloka i Rosia, satria be dia be ny zavatra tsy rariny nataony tamin’ny rahalahy sy anabavintsika.

Milaza io fikambanana io fa “nahery setra be” ny polisy rosianina rehefa nisambotra an’ireo Vavolombelona, nefa tsy nisy antony marim-pototra tokony ho nanaovany an’izany. Milaza koa izy io fa “tsy nisy tokony ho nosamborina na nogadraina mihitsy [ny Vavolombelona], na iray aza, sady tsy nisy tokony ho notsaraina na mbola hotsaraina.”

Tsy eken’ireo manam-pahaizana ireo mihitsy koa ilay fiampangana hoe manao zavatra mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah. Nohazavain’izy ireo fa “mampiasa ny zony hanaraka izay fivavahana tiany” fotsiny ireo rahalahy sy anabavy sady “tsy manakorontana.”

Ankoatra izany, dia noresahin’ireo manam-pahaizana ao amin’ilay boky fa tena tsy rariny ny natao tamin’ny mpiara-manompo amintsika teny amin’ny fitsarana. Nisy anabavintsika anankiroa, ohatra, natao tao anaty trano vy makarakara nandritra ny fitsarana azy. Tsy mety mihitsy anefa izany, araka ny nohazavain’ilay fikambanana. Milaza mantsy ny lalàna iraisam-pirenena fa zon’ny olona rehetra ny hoe “heverina ho tsy meloka raha mbola tsy voaporofo araka ny lalàna hoe meloka” izy. Noho izany, dia tsy tokony ho “nasiana rojo vy ny tanan’ireo” anabavintsika ireo nandritra ny fitsarana azy. Tsy tokony ho “natao tao anaty trano vy makarakara” koa ry zareo, na “nentina tamin’ny fomba hafa mety hahatonga ny olona hieritreritra hoe mpanao heloka bevava mampidi-doza ry zareo.”

Takin’ilay fikambanana amin’i Rosia ny hanafahana madiodio an’ireo Vavolombelona 18 sy ny hanomezana onitra azy ireo, araka ny lalàna iraisam-pirenena. Asaina “manadihady tsara” an’izay toe-javatra nahatonga an’ireny tsy rariny ireny koa i Rosia, ka “handray fepetra” mahakasika an’ireo olona nahatonga ny zon’ireo Vavolombelona ho voahitsakitsaka.

Resahina ao amin’ilay boky fa ankoatra an’ireo Vavolombelona 18 ireo, dia “mihabetsaka izao ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia no samborina sy gadraina ary ampangaina ho nanao heloka bevava, satria fotsiny ry zareo mampiasa ny zony hanaraka izay fivavahana tiany.” Marihina fa miaro an’io zo io ny fifanekena iraisam-pirenena anankiray, ary anisan’ny nanao sonia an’izany i Rosia. Noho izany, dia nilaza mazava tsara ilay fikambanana fa na dia ireo rahalahy sy anabavintsika 18 aza no tena voaresaka ao amin’ilay boky, dia “mihatra amin’izay rehetra miatrika olana mitovy amin’ny an-dry zareo” izay voalazan’izy ireo ao.

Tsy manome antoka io boky navoakan’ilay fikambanana io hoe hafahana ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Mety hanatsara ny zava-misy any anefa ilay izy. Mandra-piandry an’izay hataon’i Rosia, dia mbola miaritra sy be herim-po foana ny rahalahy sy anabavintsika enjehina any amin’io firenena io. Fantatsika hoe ampian’ilay Raintsika be fitiavana mba ho falifaly sy hilamin-tsaina foana izy ireo, satria matoky azy.—Romanina 15:13.