Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana, ambony: Ny Rahalahy Aleksey Antyukhin, Sergey Baev, Yuriy Galka, Valeriy Gurskiy, ary Vitaliy Nerush. Ambany: Ny Rahalahy Igor Popov, Yevgeniy Sokolov, Mikhail Veselov, ary Anatoliy Yagupov

20 SEPTAMBRA 2022
ROSIA

Misy Vokany Tsara ny Fiaretana

Misy Vokany Tsara ny Fiaretana

Tsy ho ela ny Fitsaram-paritr’i Levoberezhniy, any Voronej, dia hamoaka didim-pitsarana momba ny Rahalahy Aleksey Antyukhin, Sergey Baev, Yuriy Galka, Valeriy Gurskiy, Igor Popov, Vitaliy Nerush, Stepan Pankratov, a Yevgeniy Sokolov, Mikhail Veselov, ary Anatoliy Yagupov. Tsy mbola nilaza ny sazy homena azy ireo ny mpampanoa lalàna.

Zava-nitranga

  1. 13 Jolay 2020

    Tranona Vavolombelon’i Jehovah 100 mahery tany Voronej sy ny teo amin’ny faritra manodidina no nosavana. Rahalahy sy anabavy 40 mahery no nentina natao famotorana. Notanana am-ponja tsy maharitra ireo rahalahy 10 nolazaina tetsy ambony

  2. 14, 15 Jolay 2020

    Notanana am-ponja vonjimaika ireo rahalahy 10 ireo

  3. 3 Aogositra–18 Septambra 2020

    Navoaka tany am-ponja ny Rahalahy Baev, Pankratov, Popov, ary Yagupov, dia nambenana an-trano indray

  4. 1-3 Desambra 2020

    Navoaka tany am-ponja ny Rahalahy Antyukhin, Galka, Gurskiy, Nerush, Sokolov, ary Veselov. Tsy nambenana an-trano intsony ny Rahalahy Baev, Pankratov, Popov ary Yagupov

  5. 13 Desambra 2021

    Nanomboka notsaraina satria hoe nanao heloka bevava

Ireo voampanga

Faly isika hoe misy vokany tsara ny fiaretan’ny mpiara-manompo amintsika any Rosia, satria miezaka miantehitra amin’i Jehovah foana izy ireo.​—Jakoba 1:4.

a b Tsy nanana ny sarin’ny Rahalahy Pankratov izahay.