Hijery ny anatiny

18 MEY 2020
ROSIA

Mpanao Lalàna Amerikanina Roa no Mangataka An’i Rosia Hanafaka ny Rahalahy Dennis Christensen

Mpanao Lalàna Amerikanina Roa no Mangataka An’i Rosia Hanafaka ny Rahalahy Dennis Christensen

Mpiasam-panjakana ambony roa, miasa ao amin’ny sampana mpanao lalàna any Etazonia, no namoaka volavolan-dalàna manameloka an’i Rosia. Araka io lalàna io, dia tsy rariny ny nanagadran’i Rosia ny rahalahintsika Dennis Christensen. Efa namoaka lalàna be dia be manameloka an’i Rosia ny manam-pahefana isan-karazany, fa io lalàna io no nivoaka farany tamin’izy rehetra. Araka ireny lalàna ireny, dia tsy tokony hanenjika ny rahalahy sy anabavintsika noho ny zavatra inoan’izy ireo i Rosia.

Nosamborina sy nogadraina ny Rahalahy Christensen tamin’ny Mey 2017 satria fotsiny hoe nandray anjara tamin’ny fivoriana kristianina fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Mampirisika an’i Rosia ilay volavolan-dalàna naroson’i Eliot L. Engel sy Michael T. McCaul, tamin’ny 8 Mey 2020, hoe tokony hafahany avy hatrany ny Rahalahy Christensen.

Milaza ilay volavolan-dalàna hoe: “Voaheloka higadra enin-taona i Dennis Christensen, Vavolombelon’i Jehovah danoà, tamin’ny 6 Febroary 2019. Tsy manaiky an’io fanamelohana io ny Vaomiera Miaro ny Fahalalahana Ara-pivavahana Maneran-tany eto Etazonia. Porofo vaovao indray io fanamelohana io fa manitsakitsaka ny fahalalahana ara-pivavahana ny fanjakana rosianina, na milefitra amin’izany.”

Ho feno enin-taona amin’ny 25 Mey 2020 izao ny nigadran’ny Rahalahy Christensen. Raha tontalina, dia 32 ny rahalahy sy anabavintsika migadra any Rosia, ka ny 9 amin’ireo efa voaheloka, fa ny 23 kosa mbola tanana am-ponja vonjimaika. Misy 18 koa ny mpiara-manompo amintsika ambenana ao an-tranony. Efa 900 eo ho eo izay ny tranona rahalahy nanaovana bemidina, nanomboka tamin’ny 2017 ka hatramin’izao. Vavolombelon’i Jehovah 331 no voaendrikendrika ho nanao heloka bevava, vokatr’izany.

Manam-pahefana be dia be any Etazonia sy Eoropa no efa nanakiana ny fanenjehan’i Rosia ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsy mbola haintsika na hampiharina io volavolan-dalàna io na tsia, ary raha ampiharina koa ilay izy dia mbola tsy haintsika hoe hanova zavatra sa tsia. Fantatsika kosa anefa hoe mbola hanampy ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia hiaritra sy ho faly foana i Jehovah. Efa tsy andrintsika ny fotoana handringanany an’izay rehetra “mitetika ny hanisy ratsy amin’ny alalan’ny lalàna.”—Salamo 94:20-23.