Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Anatoly Razdobarov sy Greta vadiny, sy Nikolay Merinov sy Liliya vadiny talohan’ny nampijalijalin’ny polisy rosianina azy ireo

10 OKTOBRA 2021
ROSIA

Mpivady Roa Novonovonoin’ny Polisy Rosianina

Mpivady Roa Novonovonoin’ny Polisy Rosianina

Novonovonoin’ny OMON a rosianina nitam-piadiana ny Rahalahy sy Ranabavy Anatoly sy Greta Razdobarov sy ny Rahalahy sy Ranabavy Nikolay sy Liliya Merinov, tamin’ny alatsinainy 4 Oktobra 2021. Be dia be mihitsy tamin’izay ny mpitandro filaminana nisava trano 12 an’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Irkoutsk, dia rahalahy maromaro no indray nosamboriny. Nahatsiravina ny zavatra nataon’ireo mpitandro filaminana ireo.

Niditra an-keriny tao an-tranon’i Anatoly sy Greta ry zareo tamin’ny enina ora maraina. Nosintonin-dry zareo tamin’ny volony i Greta mba hoentina ao amin’ny efitra iray hafa. Nofatoran-dry zareo avy eo ny tanany dia novonovonoin-dry zareo izy.

I Anatoly indray natosiky ry zareo teo amin’ny tany, dia nofatoran-dry zareo tao an-damosiny ny tanany, dia nodakan-dry zareo ny lohany sy ny kibony. Nosintonin-dry zareo mafy be mba hitsangana izy avy eo, dia ilay tanany mifatotra ao an-damosina iny no nisintonan-dry zareo azy. Nanaintaina be mihitsy ny sorony roa vokatr’izany, dia nioritra. Ny sorony daholo mantsy no nivesatra ny vatany manontolo tamin’izy nosintonin-dry zareo hitsangana. Novelivelezin-dry zareo im-be dia be ny tanany taorian’izay sady noteren-dry zareo hiteny izy hoe meloka. Noteren-dry zareo hilaza zavatra momba ny rahalahy hafa koa izy. Tsy nijanona hatreo ireo polisy ireo fa vao mainka nampijalijaly be azy. Nosisihan-dry zareo tavoahangy tany amin’ny fitombenany. Nandritra ny adiny valo mahery ny polisy no tao an-tranon-dry Razdobarov.

Vao tafiditra tao an-tranon-dry Nikolay sy Liliya Merinov ny polisy, dia novelezin-dry zareo tamina zavatra mavesatra aloha i Nikolay. Nianjera tamin’ny tany izy, dia torana. Rehefa niverina ny sainy, dia hay efa nisy polisy nipetraka teo amboniny sady namely totohondry azy im-be dia be. Tapaka ny nifin’i Nikolay eo anoloana, vokatr’izany. I Liliya indray nosintonin-dry zareo tamin’ny volony avy eo am-pandriana, dia nofatoran-dry zareo ny tanany. Novonovonoin-dry zareo izy avy eo, izay vao navelany hanao akanjo maotina tsara.

Sady habibiana no fanamparam-pahefana ny nataon’ny polisy rosianina. Heloka bevava ilay izy raha ny Lalàna Rosianina Momba ny Heloka Bevava no jerena. Ny Federasionan’i Rosia koa, raha ny marina, tsy maintsy mankatò ny lalàna napetraky ny fikambanana iraisam-pirenena maromaro. Hitory any amin’ny fitsarana rosianina sy ny fitsarana iraisam-pirenena àry ireo mpivady ireo, noho ireo heloka bevava natao tamin-dry zareo ireo.

Rahalahy sy anabavy 300 teo ho eo no tonga tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Oktyabrskiy, any Irkoutsk, mba hanohana rahalahy enina hafa, ny ampitson’ilay andro nidiran’ny polisy an-keriny tao amin’ireo trano 12 tany Irkoutsk sy nampijalin-dry zareo mpivady roa. Namoaka didy ny fitsarana tamin’izay hoe hotanana am-ponja vonjimaika izy enina mirahalahy

Rahalahy enina no namoahan’ny fitsarana didy hoe hotanana am-ponja vonjimaika, nandritra an’ireo roa andro nisavan’ny polisy ny tranon’ny rahalahy sy anabavy. Ireto avy ireo rahalahy ireo: Yaroslav Kalin, Sergey Kosteev, Nikolay Martynov, Mikhail Moish, Aleksey Solnechny, ary Andrey Tolmachev. Rahalahy sy anabavy 300 teo ho eo no nankany amin’ny fitsarana mba hanohana an’ireo mpiara-manompo aminy niharan’ny tsy rariny ireo. Tsy nikorontana ry zareo rehefa nanao an’izany, fa nilamina tsara.

Nasain’i Jehovah niteny tamin’ny Tesalonianina i Paoly hoe: ‘Ianareo no reharehanay eo amin’ireo fiangonan’Andriamanitra, noho ianareo miaritra sy manam-pinoana na dia miatrika fanenjehana sy zava-tsarotra aza.’ Izany koa no tenintsika amin’ireo rahalahy sy anabavy malalantsika any Rosia.​—2 Tesalonianina 1:4.

a Vondrona manokana ao amin’ny polisim-pirenena rosianina