Hijery ny anatiny

Nafahana tany amin’ny fonja tany Rosia ny Rahalahy Feliks Makhammadiyev, dia tafaraka tamin’i Yevgeniya vadiny indray, eo ivelan’ny fijanonan’ny lamasinina, any Ouzbékistan, tamin’ny 21 Janoary 2021

21 JANOARY 2021
ROSIA

Nafahana Tany Am-ponja Tany Rosia ny Rahalahy Feliks Makhammadiyev dia Nalefa Tany Ouzbékistan

Nafahana Tany Am-ponja Tany Rosia ny Rahalahy Feliks Makhammadiyev dia Nalefa Tany Ouzbékistan

Nafahana tany am-ponja tany Rosia ny Rahalahy Feliks Makhammadiyev tamin’ny 31 Desambra 2020. Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Belyayevsky, any Orenburg hoe apetraka vetivety ao amin’ny toby fitanan’olona halefa any an-tany hafa aloha izy, mandra-pahazoana ny taratasy ilaina hampodiana azy any amin’ny taniny, any Ouzbékistan. Tsy neken’i Rosia hanana zom-pirenena hahafahany mipetraka any intsony mantsy izy, tamin’ny Aprily 2020. Nalefan’ny manam-pahefana lamasinina mankany Ouzbékistan izy, tamin’ny 20 Janoary 2021. Faly izahay milaza fa efa tonga soa aman-tsara any Ouzbékistan i Feliks, tamin’ny 21 Janoary 2021. Nandeha tany Ouzbékistan i Yevgeniya vadiny, roa andro talohan’izay mba hitsena azy rehefa tonga izy.

Efa 18 taona teo ho eo i Feliks no nipetraka tany Rosia. Niala tany Ouzbékistan izy sy ny mamany, tamin’ny 2002, tamin’izy mbola folo taona mahery, dia nifindra tany Saratov, any Rosia. Natao batisa izy tamin’ny 2004, tamin’izy 19 taona. Nanambady an’i Yevgeniya izy tamin’ny 2011.

Nisy polisy avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena sy polisy teo an-toerana tonga tao an-tranon-dry Feliks sy Yevgeniya tamin’ny 12 Jona 2018. , Nitam-piadiana sy nanao saro-tava ireo polisy ireo, tamin’izay. Nosamborina i Feliks dia notanana am-ponja vonjimaika efa ho herintaona. Nivavaka foana izy dia izay no tena nanampy azy. Hoy izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah isan’andro aho mba homeny fiadanan-tsaina sy ho falifaly mandritra an’iny andro iny.”

Ny Rahalahy Feliks Makhammadiyev, efa ho roa herinandro taorian’ilay izy novonovonoin’ny mpiambina fonja

Voaheloka hoe mpanao heloka bevava i Feliks sy ny rahalahy dimy hafa taorian’izay, dia nogadraina tamin’ny 19 Septambra 2019. Nampakatra fitsarana ry zareo nefa resy ihany i Feliks sy ny efatra tamin’ireo rahalahy hafa ireo. Nafindra tany amin’ny fonja iray tany Orenburg ry zareo avy eo, izany hoe tany amin’ny 800 kilaometatra miala eo amin’ny tranony sy ny fianakaviany tany Saratov. Novonovonoina be ry zareo rehefa tonga.

Mbola falifaly foana anefa i Feliks na dia nisy an’izany aza, sady mbola mitsikitsiky foana satria izay no tena ahafantarana azy. Hoy i Yevgeniya: “Tena mirehareha amin’io vadiko io mihitsy aho! Tony foana izy nandritra ny fitsarana azy, dia mbola tony foana koa izy miaritra ny zavatra iaretany. Manampy an’ahy hiaritra mihitsy aza izy.”

Ny hanisy ratsy an’i Feliks sy handrava ny finoany no tena tanjon’ny manam-pahefana rosianina, kanefa vao mainka, hono, ireny fitsapana lava be niaretany ireny nahatonga azy tsy hivadika tamin’i Jehovah. Mampahatsiahy antsika ny tantaran’i Josefa ny tantarany. Hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny, ao amin’ny Genesisy 50:20: “Nieritreritra ny hanisy ratsy ahy ianareo, saingy navadik’Andriamanitra ho zavatra tsara ilay izy.”