Hijery ny anatiny

Rahalahy Vilen Avanesov sy Stella vadiny tamin’izy efa avy nafahana tany am-ponja

14 FEBROARY 2024
ROSIA

Nafahana avy Tany Am-ponja Tany Rosia Ilay Rahalahy 71 Taona

Nafahana avy Tany Am-ponja Tany Rosia Ilay Rahalahy 71 Taona

Nafahana avy tany am-ponja ny Rahalahy Vilen Avanesov tamin’ny 9 Febroary 2024, rehefa avy nigadra efa ho dimy taona. Tamin’ny Mey 2019 i Vilen no nosamborina. Voasazy higadra enin-taona izy tamin’ny 29 Jolay 2021. Tsy voatery nigadra enin-taona intsony anefa izy fa latsak’izay satria efa notanana am-ponja vonjimaika koa teo aloha. Niara-nosamborina sy nogadraina taminy koa i Arsen zanany lahy, fa mbola migadra hatramin’izao.

Izao no tenin’ny Ranabavy Stella Avanesova, vadin’i Vilen, taloha kelin’ny nivoahan’ny vadiny: “Roa taona sy tapany i Vilen no nigadra tamin’ny voalohany mandra-pitsara azy. Iny no fotoana mafy indrindra taminay mianakavy kely. Nitebiteby be foana aho. Tsy nahazo nifandray tamin’i Vilen izahay, na tamin’ny taratasy aza. Izy mianaka koa no indray nigadra, dia nanahy be mihitsy aho hoe ahoana no hivelomanay mianakavy kely ao an-trano.”

Samy nahatsapa anefa i Vilen sy Stella hoe nanampy an-dry zareo foana i Jehovah, na teo aza izany zava-tsarotra izany. Hoy ihany i Stella: “Notantarain’i Vilen hoe be dia be foana ny mpiara-manompo tonga tany amin’ny fitsarana isaky ny nentina hotsaraina izy. Dia noraisiny hoe fitiavan’i Jehovah azy izany. Fa izaho koa anefa nahita hoe nataon’i Jehovah foana izay hahazoako ny zava-drehetra nilaiko. Resy lahatra tanteraka aho hoe ampian’i Jehovah izay matoky azy.”

Faly isika satria tafaraka indray i Vilen sy Stella. Mbola hivavaka foana ho an’i Arsen zanany lahy anefa isika, dia tsy izy ihany fa izay rahalahy sy anabavintsika mbola migadra. Matoky isika hoe tsy miova i Jehovah fa mbola ho mpanazava sy mpamonjy ary manda miaro an’izay tsy mivadika aminy.​—Salamo 27:1.