Hijery ny anatiny

Ranabavy Olga Ivanova, nafahana avy tany am-ponja, mitazona voninkazo nalefan’i Yevgeniy vadiny, izay mbola migadra 8 taona

13 JONA 2024
ROSIA

Nafahana avy Tany Am-ponja any Rosia ny Ranabavy Olga Ivanova

Nafahana avy Tany Am-ponja any Rosia ny Ranabavy Olga Ivanova

Nafahana avy tao amin’ny fonja iray any Rosia, ao amin’ny tanànan’i Zelenokumsk, ny Ranabavy Olga Ivanova tamin’ny 11 Jona 2024. Nomelohina higadra telo taona sy tapany izy tamin’ny 25 Oktobra 2021. Noraisina hoe efa nahavita ny saziny anefa izy amin’izao, satria efa nambenana tao an-tranony nandritra ny herin-taona sy tapany talohan’ny nigadrany. Nomelohina nandritra an’io fitsarana io koa i Yevgeniy vadiny, dia voasazy higadra 8 taona.

Ireo namany sy fianakaviany mitsena an’i Olga avy nigadra

Nasaina niasa mafy 12 ora isan’andro, nandritra ny 6 andro isan-kerinandro i Olga, tamin’izy tany am-ponja. Nafindrafindra fonja imbetsaka koa izy tany Rosia. Vao mainka àry nanahirana an’i Svetlana reniny, izay efa maty vady, ny nitsidika sy nampahery azy. Niresaka ny fomba nanampian’i Jehovah an-dry zareo i Svetlana. Hoy izy: “Isaky ny nafindra tany amin’ny tanàna iray i Olga, dia nisy rahalahy sy anabavy vonona ny hanome am-pitiavana an’izay nilaina foana tany. Nilahatra nandritra ny ora maro mihitsy ry zareo mba hanatitra sakafo sy zavatra hafa nilainy, dia niezaka nitsidika azy foana koa isaky ny afaka. Izaho indray rehefa afaka nandeha nitsidika azy, dia nanome ahy toerana ipetrahana sy izay fanampiana rehetra nilaiko ny mpiara-manompo. Tena niavaka ilay izy!”

I Olga sy Yevgeniy vadiny, tamin-dry zareo mbola tsy nogadraina

Misaotra an’i Jehovah isika satria tena nikarakara an’i Olga izy nandritra ny fotoana nigadrany. Faly isika hoe nafahana i Olga. Mivavaka ho an’ny vadiny sy izay rehetra mbola migadra koa anefa isika. Matoky isika hoe ho tia an-dry zareo foana i Jehovah.​—Genesisy 39:21.