Hijery ny anatiny

Oniszczuk mivady eo amin’ny lalantsaran’ny Fitsaram-paritr’i Kirov

6 SEPTAMBRA 2019
ROSIA

Nafahana avy Tany Am-ponja ny Rahalahy Andrzej Oniszczuk Rehefa avy Natoka-monina 11 Volana

Nafahana avy Tany Am-ponja ny Rahalahy Andrzej Oniszczuk Rehefa avy Natoka-monina 11 Volana

Nafahana avy tao amin’ny fonja iray any Rosia ny Rahalahy Andrzej Oniszczuk, tamin’ny 3 Septambra 2019. Nogadraina tany izy nanomboka tamin’ny 9 Oktobra 2018 satria fotsiny hoe nanompo an’i Jehovah. Natoka-monina foana izy ary tsy navela nihaona na nifampiresaka mivantana tamin’i Anna vadiny. Marina fa mahazo mody izy nefa mbola misy fameperana napetraky ny manam-pahefana, ka tsy mahazo manao dia lavitra izy. Mbola tsy notsoahana ny fiampangana azy ho mpanao heloka bevava.

Tena faly isika satria natanjaka foana ny finoan’ny Rahalahy Andrzej Oniszczuk sy ny vadiny tao anatin’ireny fisedrana ireny. Misaotra an’i Jehovah koa isika satria mamaly ny vavaka rehetra ho an’ireo ‘voafatotra any am-ponja’ izy.—Kolosianina 4:2, 3.