Hijery ny anatiny

Rahalahy Yuriy Savelyev rehefa avy nafahana avy tany am-ponja

20 JOLAY 2023
ROSIA

Nafahana avy Tany Am-ponja ny Rahalahy Yuriy Savelyev

Nafahana avy Tany Am-ponja ny Rahalahy Yuriy Savelyev

Nafahana avy tao amin’ny fonja iray any amin’ny tanànan’i Rubtsovsk, any Rosia, ny Rahalahy Yuriy Savelyev, tamin’ny 19 Jolay 2023 lasa teo. Tamin’ny 9 Novambra 2018 izy no nampidirina am-ponja voalohany, dia efa-taona sy tapany mahery izy no nigadra.

Narary i Yuriy tany am-ponja satria naloto ilay toerana. Ankoatra an’izay, dia imbetsaka izy no nohidiana tany anaty efitra fanasaziana satria voaendrikendrika. Nivavaka foana anefa izy mba hahazo hery, dia izay no nanampy azy ho tsara toetra foana na dia mafy aza ny nahazo azy. Nahafinaritra foana izy sady nanana toetra kristianina, dia lasa nanaja azy ny mpiara-nigadra taminy sy ny mpiambina.

Rahalahy sy anabavy maromaro miarahaba an’i Yuriy eo ivelan’ilay toerana nigadrany

Nanonona ny Matio 22:37 i Yuriy tao amin’ny fitsarana, talohan’ny nanamelohana azy. Hoy i Jesosy ao hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” Modely i Yuriy satria nampihariny ireo teny ireo dia tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy izy. Matoky isika fa hotahin’i Jehovah foana izy noho ny finoany sy ny fitiavany ary ny fiaretany.