Hijery ny anatiny

Rahalahy Gennady Shpakovskiy nivoaka ny fonja, miaraka amin’i Tatiana vadiny sy Maria zanany vavy

3 AOGOSITRA 2020
ROSIA

Nafahana avy any Am-ponja ny Rahalahy Gennady Shpakovskiy

Nafahana avy any Am-ponja ny Rahalahy Gennady Shpakovskiy

Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Pskov, tamin’ny alatsinainy 3 Aogositra 2020, hoe hafahana avy any am-ponja ny Rahalahy Gennady Shpakovskiy. Tsy hoe afaka madiodio akory izy fa novana fotsiny ny saziny. Lasa sazy mihantona enin-taona sy tapany ilay fanamelohana azy higadra enin-taona sy tapany, ary arahi-maso izy mandritra ny roa taona amin’ireo. Ora vitsivitsy taorian’ny nivoahan’ilay didy no navoaka avy tany am-ponja ny Rahalahy Shpakovskiy. Afaka mampakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa ny fampanoavana.