Hijery ny anatiny

Rahalahy Sergey Polyakov sy Anastasia, vadiny

7 DESAMBRA 2022
ROSIA

Nafahana avy any Am-ponja ny Rahalahy Sergey Polyakov

Nafahana avy any Am-ponja ny Rahalahy Sergey Polyakov

Nafahana ny Rahalahy Sergey Polyakov, tamin’ny 30 Novambra 2022, rehefa avy nigadra telo taona. Niovaova ny fomba nanagadrana azy taorian’ny nisamborana azy, tamin’ny 4 Jolay 2018. Efa nisy fotoana, ohatra, izy natoka-monina nandritra ny dimy volana.

Tany amin’ny fonja iray any Valday i Sergey no nigadra nandritra ny herintaona sy efa-bolana farany nigadrany. Eo amin’ny 3 000 kilaometatra eo ho eo miala ny tranony no misy azy io. Gadra tena nanam-pinoana no nahalalan’ny olona an’i Sergey, ary nohajain’ny mpiasan’ny fonja sy ny mpiara-migadra taminy izy. Nampahery be an’i Sergey ny taratasy be dia be avy tamin’ny namany sy ny fianakaviany, tamin’izy mbola nigadra. Nisy 250 teo ho eo ny isan’ny olona tao am-ponja, nefa matetika no betsaka noho ny taratasy voarain’ireo ny taratasy azony ao anatin’ny iray andro.

Tafaraka amin’i Anastasia vadiny indray izy rehefa nafahana. Efa natoka-monina nandritra ny dimy volana koa i Anastasia. Voaheloka izy avy eo ary nahazo sazy mihantona satria nanaraka ny finoany. Izy ireo no mpivady voalohany nogadraina taorian’ilay didy navoakan’ny Fitsarana Tampony tamin’ny 2017 hoe voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Mbola misy 100 mahery ny rahalahy sy anabavy migadra any Rosia sy Crimée. Matoky isika fa hotohanan’i Jehovah foana ny “olona miaritra fahoriana sy mijaly tsy ara-drariny noho izy te hanana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehany.”​—1 Petera 2:19.