Hijery ny anatiny

Rahalahy Vladimir Balabkin (afovoany) sy Tatyana vadiny, miaraka amin’ny naman-dry zareo sy ny fianakaviany eo ivelan’ny fitsarana, taorian’ny nanafahana azy

25 DESAMBRA 2023
ROSIA

Nafahana avy any Am-ponja ny Rahalahy Vladimir Balabkin, 71 Taona

Nafahana avy any Am-ponja ny Rahalahy Vladimir Balabkin, 71 Taona

Nafahana avy any am-ponja ny Rahalahy Vladimir Balabkin, tamin’ny 19 Desambra 2023. Voasazy higadra efa-taona izy, nefa telo volana mahery tamin’izany fotsiny no nefainy. Tamin’ny 13 Septambra 2023 izy no voaheloka sy voasazy. Nampakatra fitsarana i Vladimir avy eo. Mpitsara telo no nihaino an’ilay raharaha, ary novan’izy ireo ilay saziny tamin’ny voalohany. Nahena ho lasa sazy mihantona herintaona ilay saziny efa-taona an-tranomaizina.

Sahy niteny an’izao i Vladimir tamin’izy notsaraina: “Miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly, ny zavatra inoako. Nanampy ahy hanana ny toetra tian’Andriamanitra hananan’ny olona rehetra ny Baiboly, anisan’izany ny hoe tsara fanahy sy manam-paharetana ary mahafehy tena. Nahasoa ahy sy ny fianakaviako izany. Tiako hahafantatra tsara ny Tenin’Andriamanitra daholo ny olona satria afaka manatsara ny fiainan-dry zareo izany.”

Miara-paly amin’i Vladimir sy ny fianakaviany isika nefa koa tsy manadino mivavaka ho an’izay mbola any am-ponja. Matoky isika fa hamaly soa ny fiaretan’izy ireo i Jehovah.​—Hebreo 10:34.