Hijery ny anatiny

Rahalahy Sergey Klimov tafaraka amin’i Yuliya vadiny indray, rehefa nafahana avy any am-ponja izy

27 JOLAY 2023
ROSIA

Nafahana avy any Amin’ny Fonjan’i Rosia ny Rahalahy Sergey Klimov

Nafahana avy any Amin’ny Fonjan’i Rosia ny Rahalahy Sergey Klimov

Nafahana avy any amin’ny fonja rosianina iray any amin’ny Tanànan’i Astrakhan ny Rahalahy Sergey Klimov, tamin’ny 26 Jolay 2023, rehefa avy nigadra nandritra ny dimy taona teo ho eo. Tamin’ny 3 Jona 2018 izy no nosamborina voalohany, dia notanana am-ponja vonjimaika izy mandra-piandry ny fitsarana azy. Voaheloka izy tamin’ny 5 Novambra 2019, dia nafindra tany amin’ny fonja hafa taoriana kelin’izay.

Tsy navela hihaona tamin’i Yuliya vadiny nandritra ny sivy volana i Sergey, tamin’izy nigadra. Tsy vitan’izay fa tsy tonga tany aminy mihitsy ny ankamaroan’ny taratasy nosoratana ho azy. Ratsy be koa ny fiainana tany am-pigadrana, dia lasa narary be i Sergey. Na dia teo aza anefa izany rehetra izany, dia falifaly foana i Sergey, satria izy nivavaka sy namaky Baiboly tsy tapaka.

Nampangain’ny manam-pahefana hoe manao zavatra mampidi-doza i Sergey, noho ny zavatra inoany. Be herim-po anefa i Sergey nandritra ny fitsarana azy, dia noporofoiny hoe diso ilay fiampangana azy. Nohazavainy koa hoe fa maninona izy no manampy ny olona hianatra Baiboly. Izao no nolazainy tamin’izay: ‘Andriamanitra be fitiavana sy tia rariny i Jehovah, ilay Andriamanitra ivavahako. Fitiavana no manosika ahy hanao zavatra sy hanampy olona, fa tsy fankahalana akory na hoe fitiavana te hampidi-doza ny hafa.’

Miara-paly amin’i Sergey sy Yuliya isika satria tafaraka indray ry zareo. Faly koa isika mahita hoe notahian’i Jehovah i Sergey satria tapa-kevitra ny tsy hivadika izy.​—Josoa 24:14.