Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Denis Antonov sy Olga vadiny (ankavia), ny Rahalahy Aleksandr Korolev sy Natalya vadiny (ankavanana), taorian’ny nanafahana an’izy mirahalahy

19 JONA 2024
ROSIA

Nafahana avy ao Amin’ny Fonja any Rosia ny Rahalahy Denis Antonov sy Aleksandr Korolev

Nafahana avy ao Amin’ny Fonja any Rosia ny Rahalahy Denis Antonov sy Aleksandr Korolev

Nafahana avy ao amin’ny fonja ao amin’ny tanànan’i Molochnitsa any Rosia ny Rahalahy Denis Antonov sy Aleksandr Korolev, tamin’ny 14 Jona 2024. Voaheloka ry zareo tamin’ny 25 Aogositra 2022, dia samy voasazy higadra roa taona. Raha isaina ny fotoana nitanana an-dry zareo am-ponja vonjimaika, dia azo lazaina hoe efa nanefa ny saziny ry zareo.

Nohazavain’i Olga vadin’i Denis hoe inona no nanampy an’izy mivady tamin-dry zareo tafasaraka. Hoy izy: “Nifandefa taratasy izahay dia nasianay andinin-teny tao amin’ilay izy, dia izany no nampahery anay. Anisan’ny tena nanampy anay izao ny Mpitoriteny 8:12. Hoy i Solomona ao: ‘Fantatro fa ho tsara fiafara izay matahotra an’ilay tena Andriamanitra.’ Nanome toky anay io andininy io hoe raha manompo an’i Jehovah foana izahay fa tsy kivy mihitsy, dia homen’i Jehovah hery mba hahavitanay miaritra.”

Nampitahain’i Aleksandr tamin’ny zavatra niainan’i Daniela mpaminany ny zavatra niainany, tamin’ny teniny farany talohan’ny nanamelohana azy. Hoy izy: “Nanam-pinoana i Daniela, ka na dia norahonana ho faty aza izy dia nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra foana. Mangataka amin’Andriamanitra foana koa aho mba hanana finoana hoatran’izany, ka hahavita tsy hivadika mihitsy na inona na inona fanenjehana miseho.”

Miara-paly amin’i Denis sy Aleksandr isika satria tafaraka indray amin’ny fianakaviany ry zareo. Manome toky antsika ny tantaran-dry zareo hoe marina ilay fampanantenana ao amin’ny Salamo 4:3 hoe: “Fantaro fa miavaka ny fomba hitondran’i Jehovah ny olona tsy mivadika aminy; hihaino i Jehovah rehefa miantso azy [isika].”