8 NOVAMBRA 2023
ROSIA
Nafahana avy ao Amin’ny Fonjan’i Rosia ny Rahalahy Aleksandr Shevchuk
Tapitra tamin’ny 3 Novambra 2023 ny sazin’ny Rahalahy Aleksandr Shevchuk, dia nafahana avy tany am-ponja izy. Dimy volana teo ho eo izy no nigadra tamin’ny 2019, mandra-pahatongan’ny fitsarana azy. Voaheloka izy tamin’ny 25 Aogositra 2022, dia naiditra am-ponja.
Noresahin’ny Aleksandr talohan’ny nampidirana azy am-ponja hoe inona no nanampy azy hanana toe-tsaina tsara foana nandritra ny fitsarana azy. Hoy izy: “Miezaka mitadidy foana aho hoe tsy ny handresy amin’ilay fitsarana akory no tanjoko, fa ny tsy hivadika amin’Andriamanitra mihitsy. Tsy izay didim-pitsarana mivoaka eo akory no zava-dehibe indrindra. Ny tena imasoako dia ny hiresaka momba an’i Jehovah amin’ny olona betsaka araka izay azo atao. Izay foana no nataoko an-tsaina, dia lasa mora tamiko ny niaritra sady falifaly foana aho.”
Niteny koa i Aleksandr hoe anisan’ny andininy tena nampionona azy tany am-ponja ny Salamo 91. Manome toky ny mpanompony i Jehovah ao amin’ny andininy 15 hoe: “Hiantso ahy izy, dia hamaly azy aho. Ho eo akaikiny aho rehefa mijaly izy. Hamonjy azy aho ary hanome voninahitra azy.”
Efa nisy nenjehina noho ny finoany koa tao amin’ny fianakavian’i Aleksandr, fa tsy izy no voalohany. Anisan’ireo Vavolombelon’i Jehovah efa ho 10 000 natao sesitany tany Siberia ny ray aman-drenin’ny dadabe sy bebeny, tamin’ny 1951. Samy teraka tany na ny dadan’i Aleksandr na ny mamany.
Tena faly isika satria modely ho antsika i Aleksandr sy ny fianakaviany ary izay rehetra mifidy an’i Jehovah ho mpitondra azy sady tsy mivadika aminy mihitsy.—1 Tesalonianina 1:2, 3.