Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Aleksandr Parkov tsenain’i Galina vadiny, tamin’izy nivoaka ny fonja

13 AOGOSITRA 2024
ROSIA

Nafahana avy tao Amin’ny Fonja any Rosia i Aleksandr Parkov

Nafahana avy tao Amin’ny Fonja any Rosia i Aleksandr Parkov

Nafahana avy tao amin’ny fonja any Rosia ny Rahalahy Aleksandr Parkov, tamin’ny 9 Aogositra 2024. Voaheloka izy tamin’ny 29 Jolay 2021, dia voasazy higadra enin-taona sy tapany. Noraisina hoe efa voaefa anefa izao ny saziny, satria efa notanana am-ponja vonjimaika izy talohan’ny nanamelohana azy.

Raha atambatra, dia efa dimy taona i Aleksandr sy Ranabavy Galina Parkova vadiny no tafasaraka. Notsaraina tamin’ny raharaha hafa koa i Galina tamin’izany, ary nahazo sazy mihantona roa taona sy telo volana. Voaroaka tamin’ny asany izy noho izy niakatra fitsarana.

Afaka nitelefaonina an’i Galina sy nanoratra taratasy ho azy i Aleksandr tamin’izy nigadra. Niezaka foana izy hampahery an’i Galina mba hahavitany hiaritra an’ilay fitsapana. Hoy i Galina: “Mampatsiahy ahy matetika izy hoe tsy misy na inona na inona tokony hatahoranay, rehefa manampy anay i Jehovah.”

Matoky isika hoe hitahy an’i Aleksandr sy Galina i Jehovah amin’izao izy roa tafaraka izao indray, sady miara-manompo azy. “Ho mailo” koa isika “ka tsy hanao tsirambina ny vavaka”, indrindra fa hivavaka ho an’izay migadra noho ny finoany.​—1 Petera 4:7.