11 OKTOBRA 2024
ROSIA
Nafahana avy tao Amin’ny Fonja any Rosia i Arsen Avanesov
Nafahana avy tao amin’ny fonja iray any Rosia ny Rahalahy Arsen Avanesov, tamin’ny 9 Oktobra 2024. Voaheloka dia voasazy higadra enin-taona sy tapany izy tamin’ny voalohany, tamin’ny 29 Jolay 2021. Nampakarina avy eo ilay raharaha, dia nampitomboin’ilay mpitsara ho fito taona ny saziny. Voaefa tanteraka ny saziny amin’izao satria efa notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny roa taona mahery izy talohan’ny nanamelohana azy.
Voaheloka higadra koa ny Rahalahy Vilen Avanesov, dadan’i Arsen, nandritra an’io raharaha ara-pitsarana io. Nomelohina higadra enin-taona izy dia navoaka tamin’ny 9 Febroary 2024.
Tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy i Arsen, dia izany no nahatonga azy hahavita hiaritra tamin’izy tao am-ponja. Izao no zavatra noresahiny farany nandritra ny fitsarana azy, talohan’ny nigadrany: “Nivoady tamin’i Jehovah aho hoe tsy hivadika aminy mihitsy. Nanokan-tena ho azy aho, dia nataoko tamin’ny foko izany. Tsy hivadika amin’ny voady nataoko taminy mihitsy aho.” Nilaza koa izy fa resy lahatra izy hoe tsy azo hozongozonina ny finoana an’Andriamanitra rehefa tena matanjaka. Izao no nolazainy: “Tsy nihena ny finoako fa vao mainka aza nitombo.”
Faly isika hoe tafaraka amin’ny fianakaviany indray i Arsen, dia hivavaka foana koa isika ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika mbola migadra. Mampahery ny mahalala hoe na dia ‘miaritra fitsapana samihafa’ aza isika amin’izao, dia hahazo valisoa raha manam-pinoana sy miaritra foana.—1 Petera 1:6, 7.