Hijery ny anatiny

Ankavia miankavanana: Ny Rahalahy Roman Gridasov miaraka amin’i Elvira vadiny, sy ny Rahalahy Gennadiy German miaraka amin’i Nadezhda vadiny, taoriana kelin’ny nanafahana azy mirahalahy. Efa ho roa taona ry zareo no nigadra

30 JOLAY 2021
ROSIA

Nafahana avy tao Amin’ny Fonja any Rosia ny Rahalahy Gennadiy German sy Roman Gridasov

Nafahana avy tao Amin’ny Fonja any Rosia ny Rahalahy Gennadiy German sy Roman Gridasov

Nafahana avy tany am-ponja ny Rahalahy Gennadiy German sy Roman Gridasov tamin’ny 29 Jolay 2021, rehefa avy nanefa ny saziny. Nisy rahalahy dimy avy any Saratov novonovonoina rehefa tonga tany amin’ny fonja any Orenburg, ary anisan’izany izy mirahalahy ireo. Tamin’ny Janoary 2021 no nafahana ny Rahalahy Feliks Makhammadiyev, ary tamin’ny Jolay 2021 ny Rahalahy Aleksey Budenchuk. Mbola migadra ao amin’ny fonja any Orenburg kosa ny Rahalahy Aleksey Miretskiy, ary amin’ny voalohandohan’ny volana Aogositra 2021 izy no tokony hafahana.