Hijery ny anatiny

Rahalahy Konstantin Bazhenov nihaona vetivety tamin’i Irina vadiny, taoriana kelin’ny nivoahany ny fonja. Tazonina ao amin’ny toerana ametrahana ny vahiny voaroaka izy amin’izao ary miandry ny handehanany.

5 MEY 2021
ROSIA

Nafahana avy tao Amin’ny Fonja any Rosia ny Rahalahy Konstantin Bazhenov ary Halefa any Ukraine

Nafahana avy tao Amin’ny Fonja any Rosia ny Rahalahy Konstantin Bazhenov ary Halefa any Ukraine

Vitan’ny Rahalahy Konstantin Bazhenov ny saziny, tamin’ny 5 Mey 2021, ary nafahana avy tao amin’ny fonjan’i Dimitrovgrad izy. Nofoanana tamin’ny Mey 2020 ny maha olom-pirenena rosianina azy, ka nalefa avy hatrany tany amin’ny toerana ametrahana ny vahiny voaroaka miandry ny handehanany izy. Kely sisa izy dia halefa any Ukraine.