Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Vasiliy Meleshko nafahana avy tao amin’ny fonja any Rosia, ary mitsena azy i Zoya vadiny sy ny zanany lahy. Sary kely: I Vasiliy sy Zoya

16 JOLAY 2024
ROSIA

Nafahana avy tao Amin’ny Fonja any Rosia ny Rahalahy Vasiliy Meleshko

Nafahana avy tao Amin’ny Fonja any Rosia ny Rahalahy Vasiliy Meleshko

Nafahana avy tany am-ponja ny Rahalahy Vasiliy Meleshko, tamin’ny 12 Jolay 2024. Voaheloka izy dia nahazo sazy higadra telo taona, tamin’ny 2021.

Fonja fito fara-fahakeliny no nisy an’i Vasiliy, nandritra an’ireo telo taona nigadrany. Nisy fotoana tsy fantatr’i Zoya vadiny ny toerana nisy azy nandritra ny iray volana teo ho eo. Nampitaintaina an’i Zoya izany satria taizan’aretina isan-karazany i Vasiliy.

Nitantara ny zavatra nanampy azy sy Vasiliy hiaritra an’ilay fisarahan-toerana i Zoya. Hoy izy: “Notadidinay hoe ho faly be i Satana, raha navelanay hanimba ny tokantranonay sy ny fifandraisanay amin’i Jehovah iny zava-nitranga iny. Dia izany no nahatonga anay sy Vasiliy hanao izay azonay natao mba hifankatia be foana sy hifandray tsara amin’i Jehovah. Nanoratra taratasy misy teny mamy ho ahy i Vasiliy mba hanomezana toky ahy hoe tia be ahy izy, sady nanararaotra an’ireny mba hanampiana ahy hatanjaka ara-panahy.”

Faly isika hoe tafaraka indray amin’i Zoya i Vasiliy sady afaka miaraka amin’ny fianakaviany ary ny namany. Mivavaka foana ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika mbola migadra koa anefa isika, sady matoky hoe hanohana antsika amin’ny fahoriantsika rehetra i Jehovah.​—Salamo 55:22.