Hijery ny anatiny

20 MARTSA 2019
ROSIA

Nafahana ny Iray Amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah Telo Migadra any Sourgout, any Rosia

Nafahana ny Iray Amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah Telo Migadra any Sourgout, any Rosia

Nofoanan’ny fitsarana any Khanty-Mansiysk, any Rosia, tamin’ny 7 Martsa 2019, ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Sourgout, izay nanameloka ny Rahalahy Artur Severinchik. Tsy tanana am-ponja vonjimaika intsony àry izy nanomboka tamin’ny 15 Martsa.

Iray tamin’ireo rahalahy telo notanana am-ponja vonjimaika nanomboka tamin’ny 17 Febroary izy, taorian’ny bemidina natao tany Sourgout sy Lyantor. Tsy neken’ilay fitsarana anefa ny nanafahana an’i Yevgeniy Fedin sy Sergey Loginov.

Manara-maso akaiky an’io raharaha io ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Namoaka didy ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona hoe tsy maintsy jerena ny fahasalaman’ny Rahalahy Loginov, ary dokotera tsy miankina amin’ny fanjakana no tokony hanao an’izany. Niharan’ny fampijaliana ara-batana mantsy izy tany am-ponja.

Faly isika hoe nafahana ny Rahalahy Severinchik. Mivavaka foana isika mba hatoky an’i Jehovah ireo rahalahintsika migadra any Rosia. Enga anie ka ho tadidin’izy ireo foana hoe manohana azy ireo i Jehovah ka “tsy hangozohozo” mihitsy izy ireo!—Salamo 16:8.