Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksandr Shcherbina, tamin’izy nafahana avy tao am-ponja. Sary kely: Rahalahy sy anabavy maromaro tonga nitsena an’i Aleksandr

28 FEBROARY 2023
ROSIA

Nafahana ny Rahalahy Aleksandr Shcherbina

Nafahana ny Rahalahy Aleksandr Shcherbina

Nafahana avy tao amin’ny fonja iray ao amin’ny tanànan’i Rostov-on-Don, any Rosia, ny Rahalahy Aleksandr Shcherbina tamin’ny 22 Febroary 2023. Notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny 79 andro izy, dia avy eo nalefa tany am-ponja nandritra ny 609 andro indray, izany hoe efa ho 2 taona izy no nigadra.

Nilaza i Aleksandr taloha kelin’ny nifaranan’ny fitsarana azy hoe tena nampahery azy ny tantaran’i Mordekay ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Tsy natahotra an’i Hamana i Mordekay na dia fahavalo nampidi-doza aza i Hamana. Tsy te hivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Mordekay na inona na inona mitranga. Izay no zava-dehibe indrindra taminy. Nisaintsaina ny tantarany aho dia nanampy ahy izany mba ho be herim-po foana.”

Mankasitraka ny modely omen’i Aleksandr isika. Faly koa isika hoe ho afaka hifankahita amin’ny namany sy ny fianakaviany indray izy, dia ‘hiorina tsara amin’ny finoana’ foana noho ny fitahian’i Jehovah.​—1 Korintianina 16:13.