Hijery ny anatiny

Rahalahy Aleksey Budenchuk, miaraka amin’i Yegor zanany lahy sy Sofiya zanany vavy ary Tatyana vadiny

7 JOLAY 2021
ROSIA

Nafahana ny Rahalahy Aleksey Budenchuk, any Rosia

Nafahana ny Rahalahy Aleksey Budenchuk, any Rosia

Nafahana avy tao amin’ny fonja any Orenburg ny Rahalahy Aleksey Budenchuk, tamin’ny 6 Jolay 2021, rehefa avy nanefa ny saziny. Anisan’ireo rahalahy enina avy any Saratov nogadraina tamin’ny Septambra 2019 izy. Mbola any am-ponja ny telo amin’izy ireo. Nanao dia 800 kilaometatra mahery ny havany sy ny namany mba hitsena azy rehefa mivoaka ny fonja izy. Hody any Saratov miaraka amin’ny vady aman-janany izy izao.