Hijery ny anatiny

Rahalahy Andrey Andreyev (Afovoany) miaraka amin’i (avy eo ankavia miankavanana) Albina zanany vavy; Svetlana vadiny; Anzhelika zanany vavy sy Anatoliy vadiny; (sary kely) Rahalahy Andreyev nihaona tamin’ny vadiny, tamin’izy nivoaka ny fonja

27 FEBROARY 2023
ROSIA

Nafahana ny Rahalahy Andrey Andreyev, any Rosia

Nafahana ny Rahalahy Andrey Andreyev, any Rosia

Nafahana avy tao amin’ny fonja any Rosia ny Rahalahy Andrey Andreyev, tamin’ny 22 Febroary 2023, rehefa nigadra telo taona mahery.

Nosamborina niaraka tamin’ny rahalahy maromaro i Andrey, taorian’ny fisavana trano sy famotorana natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Koursk, tamin’ny 16 Oktobra 2019. Notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny herin-taona sy tapany mahery izy avy eo, izay vao voaheloka higadra tamin’ny 3 Jona 2021.

Marina fa nigadra noho ny finoany i Andrey, nefa nanao an’izay vitany izy mba hifandray foana amin’Andriamanitra i Svetlana vadiny sy Anzhelika ary Albina zanany mirahavavy. Nanoratany taratasy nisy hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly foana izy telo mianaka tamin’izy nigadra. Izy mihitsy aza no nanoratra ny lahatenim-panambadiana, rehefa hanambady i Anzhelika zanany, tamin’izy mbola nigadra. Hoy i Anzhelika: “Tsara be mihitsy ilay lahateny nosoratany. Tena nanohina ny fon’ny olona nasainay ilay izy . . . dia tsapanay hoe hoatran’ny nanatrika teo izy tamin’iny fotoana iny.”

Nandeha fiara fitateram-bahoaka nandritra ny adiny valo ny fianakavian’i Andrey, rehefa nitsidika azy. Marina fa nahatsiaro vizana i Svetlana sy ny zanany roa vavy rehefa nanao an’izany, kanefa nahatsapa izy ireo hoe nanohana azy ireo foana ny mpiara-manompo tany an-toerana. Nisy, ohatra, nampiantrano, nanome sakafo, nanome saran-dalana mandroso sy miverina avy any amin’ilay fonja. Nisy aza no niandry laharana tany amin’ilay fonja, ary matetika mandritra ny alina tontolo mihitsy, mba hahafahan’izy mianakavy hihaona amin’i Andrey.

Namana sy fianakaviana tonga nitsena an’ny Rahalahy Andreyev tamin’izy nivoaka ny fonja

Matanjaka tsara foana ny finoan’i Andrey, na dia mbola miaritra ny vokatry ny nampijalina azy tany am-ponja aza izy. Tsara toetra foana izy tamin’izy nigadra ka lasa nanaja azy ny manam-pahefana tany. Navelan’izy ireo ho betsaka kokoa àry ny olona afaka nitsidika azy. Hoy izy momba an’ilay sazy azony: “Tsy sosotra aho na hoe tezitra, na hoe misy olona lasa halako. Faly aho fa nahavita tsy nivadika, satria nanampy ahy i Jehovah.”

Matoky isika hoe noho i Andrey tapa-kevitra ny hampiseho fitiavana foana, dia hamaly soa be dia be azy i Jehovah.​—1 Jaona 4:16.