31 OKTOBRA 2024
ROSIA
Nafahana ny Rahalahy Roman Mareyev, any Rosia
Navoaka ny fonja ny Rahalahy Roman Mareyev, tamin’ny 25 Oktobra 2024. Voasazy higadra efa-taona sy tapany izy tamin’ny 12 Jolay 2023. Efa feno ny saziny satria efa nigadra roa taona latsaka izy talohan’ny nitsarana azy.
Nohazavain’i Roman tamin’ny fotoana nitsarana azy hoe inona no nanampy azy hiaritra. Hoy izy: “Tsy miankina amin’ny zavatra etỳ ivelany ny tena fahasambarana. Tena sambatra aho satria resy lahatra hoe mety ny ataoko ary faly Andriamanitra mahita an’izay ataoko sy ilay izaho miezaka manaraka ny fitsipiny. Matoky aho hoe mankasitraka ahy izy. Izao mantsy no lazain’ny Romanina 15:13: ‘Ilay Andriamanitra manome fanantenana anie hameno fifaliana sy fiadanana ny fonareo, satria matoky azy ianareo! Amin’izay dia vao mainka ho azo antoka ny fanantenanareo noho ny herin’ny fanahy masina.’ Tena faly sy miadan-tsaina aho na dia miaritra ny tsy rariny aza. Ny fanahin’Andriamanitra sy ny fitahiany ihany no mahatonga an’izany.”
Faly isika fa tafaraka amin’ny fianakaviany indray ny Rahalahy Roman. Mampahery koa ny mahalala hoe mamaly soa antsika foana i Jehovah rehefa miezaka isika mba tsy hivadika.—2 Tantara 15:7.