Hijery ny anatiny

Ranabavy Tatyana Alushkina mamihina an’i Vladimir vadiny, rehefa nafahana avy any am-ponja izy

10 APRILY 2020
ROSIA

Nafahana ny Rahalahy Vladimir Alushkin

Nafahana ny Rahalahy Vladimir Alushkin

Nafahana ny Rahalahy Vladimir Alushkin tamin’ny 30 Martsa 2020, ary tafaraka amin’ny vadiny indray izy izao.

Araka ny vaovao teo aloha, dia namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Penza, tamin’ny 25 Martsa, ary nafahana ny Rahalahy Alushkin. Tsy nomelohin’io fitsarana io ny Rahalahy Vladimir Alushkin, Vladimir Kulyasov, Andrey Magliv, ary Denis Timoshin, sy ny Ranabavy Tatyana Alushkina sy Galiya Olkhova. Nasain’ilay fitsarana hodinihin’ny mpitsara hafa ao amin’ilay fitsarana teo aloha ilay raharaha. Mbola tsy mahazo manao dia lavitra anefa izy enina ireo izao sady mbola voafetra ny zavatra azon’izy ireo atao.

Faly isika hoe nafahana ny Rahalahy Vladimir Alushkin. Roa andro taorian’izay anefa dia nisy rahalahintsika iray indray nomelohin’ny fitsarana any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Rosia. Mbola hitohy ireny fiampangana tsy marim-pototra ireny. Fantatsika anefa hoe hitadidy sy hatoky an’ireto teny ao amin’ny Nahoma 1:7 ireto foana ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia: “Tsara i Jehovah, sady fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana. Fantany izay mitady fialofana eo aminy.”