Hijery ny anatiny

Rahalahy Yevgeniy Fedin sy Sergey Loginov

2 MEY 2019
ROSIA

Nafahan’ny Fitsaran’i Rosia ny Rahalahy Roa Ambiny Nigadra Tany Sourgout

Nafahan’ny Fitsaran’i Rosia ny Rahalahy Roa Ambiny Nigadra Tany Sourgout

Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Sourgout, tamin’ny 9 Aprily 2019, hoe tsy tanana am-ponja vonjimaika intsony ny Rahalahy Yevgeniy Fedin sy Sergey Loginov. Nolavin’io fitsarana io ny fangatahan’ny manam-pahefana rosianina hoe halavaina ny fitanana azy ireo am-ponja. Na mbola tsy vita aza ny fandinihana ny fiampangana an’ireo rahalahy ireo, dia nafahana avy tao am-ponja izy ireo tamin’ny 11 Aprily.

Nanao bemidina tany amin’ny tranon’olona maromaro ny manam-pahefana tao Sourgout, tamin’ny 15 Febroary 2019, ary tamin’izay ny Rahalahy Fedin sy Loginov no nanomboka nogadraina. Vavolombelon’i Jehovah 19, tamin’izay, no nampangain’ny manam-pahefana ho mpanao heloka bevava, ary notanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Yevgeniy sy Sergey ary ny Rahalahy Artur Severinchik. Efa nafahana tamin’ny 15 Martsa i Artur.

Nampijalijalin’ny polisy ny rahalahy fito, nandritra ny famotorana tamin’ilay bemidina tamin’ny volana Febroary. Anisan’ireo nampijalina ny Rahalahy Loginov. Efa nisy fitarainana nalefa any amin’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona, mifandray amin’iny fampijaliana iny. Mbola eo am-pandinihana azy izao io Fitsarana io.

Matoky isika hoe tena mihaino ny vavaka ataontsika i Jehovah, ary mbola manatanjaka ny rahalahy sy anabavy tsy mivadika any Rosia.—Salamo 10:17.