Hijery ny anatiny

11 JOLAY 2020
ROSIA

Nafindra any Amin’ny Fonja Misy ny Besinimaro ny Rahalahy Dennis Christensen fa Tsy ao Amin’ilay Fanasaziana Manokana Intsony

Nafindra any Amin’ny Fonja Misy ny Besinimaro ny Rahalahy Dennis Christensen fa Tsy ao Amin’ilay Fanasaziana Manokana Intsony

Nafindran’ny fonjan’i Lgov any amin’izay misy ny voafonja mahazatra ny Rahalahy Dennis Christensen, tamin’ny 11 Jolay 2020. Tao amin’ny toerana manokana fanasaziana mantsy izy nandritra ny 15 andro talohan’izay. Araka ny efa voalaza teo aloha, dia zavatra namboamboarina fotsiny ny fiampangana azy mba hanasaziana azy toy izany. Efa ao amin’ny fonja misy ny besinimaro izy izao. Tsy kivy anefa izy na izany aza. Tian’ny mpiaro ny Rahalahy Christensen hofoanana izany fiampangana izany, ary manantena izy ireo hoe tsy hisy vokany amin’ilay fangatahana ny hamoahana azy aloha kokoa izany.