Hijery ny anatiny

Ny Anabavy Yuliya Kaganovich

11 FEBROARY 2021
ROSIA

Nahavita Niaritra ny Anabavy Yuliya Kaganovich Rehefa Nenjehina Satria Niomana Mialoha

Nahavita Niaritra ny Anabavy Yuliya Kaganovich Rehefa Nenjehina Satria Niomana Mialoha

Datin’ny didim-pitsarana

Amin’ny 18 Febroary 2021 a ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan, any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy, no hamoaka ny didim-pitsarany momba ny Anabavy Yuliya Kaganovich. Mbola tsy nolazain’ny mpampanoa lalàna hoe inona ny sazy homena azy.

Ilay voampanga

Yuliya Kaganovich

  • Teraka: 1966 (tany Mikhaylovka, Faritr’i Volgograd)

  • Mombamomba azy: Nanao fianarana momba ny asa vaventy izy. Nianatra tany amin’ny sekoly fianarana mandihy izy tamin’ny mbola kely, dia avy eo nahazo diplaoma tany amin’ny sekoly fianarana mozika, nitendry mozika tao amin’ny orkesitra iray, ary niara-nihira tao amin’ny antoko-mpihira. Tsy Vavolombelon’i Jehovah i Aleksandr vadiny, kanefa manohana an’i Yuliya izy. Miaiky izy hoe tena tsy rariny ilay vadiny nampangaina hoe mpanao heloka bevava

    Nisy havany akaiky sasantsasany maty, dia lasa nieritreritra izy hoe fa inona no antony hivelomany. Voavaly tao amin’ny Baiboly ny fanontaniany dia lasa tony izy sady nanana fanantenana. Natao batisa tamin’ny 1998. Nanaraka ny toro lalan’ny Baiboly izy dia nanana tokantrano sambatra, nahay nifandray kokoa tamin’ny hafa, ary nahay nitaiza an’i Artur zanany lahy. Vavolombelon’i Jehovah koa io zanany lahy io

    Vao mainka niharatsy ny fahasalamany rehefa nampangaina hoe mpanao heloka bevava izy

Mombamomba an’ilay raharaha

“Vao nandondòna ny varavaranay ry zareo, indray maraina be izay, dia tonga dia fantatro hoe ry zareo izany”, hoy ny Anabavy Yuliya Kaganovich. “Nidobodoboka be mihitsy ny foko dia izao fotsiny no naverimberiko hoe: ‘Jehovah ô, ampio aho! Jehovah ô, ampio aho!’”

Tamin’ny 10 Oktobra 2019 no nanomboka nenjehina ny Anabavy Yuliya Kaganovich. Efa 53 taona izy tamin’izany ary nipetraka tany Birobidzhan. Efa maherin’ny 20 ny tranon’ny rahalahy sy anabavy natao savahao, tamin’io fotoana nanaovan’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenen’i Rosia (FSB) bemidina tao amin’io tanàna io.

Tena nampitaintaina be ilay fisavana, kanefa natanja-tsaina ihany i Yuliya sy ny Vavolombelon’i Jehovah hafa, satria efa niomana mialoha.

“Efa naverimberina tany am-pivoriana hoe mety hosavana ny tranonay, dia mila miomana izahay”, hoy i Yuliya. “Efa fantatro àry hoe mety hitranga ilay izy, dia efa nomaniko ny saiko hoe ahoana no hatao dia inona no hotenenina.” Hoy ihany izy: “Tsapako mihitsy hoe tena zava-dehibe ilay mieritreritra mialoha an’izay hatao. Lasa tonga dia nahafantatra àry aho hoe inona no hatao, rehefa tena tonga ilay izy, fa tsy hoe natahotra be teo fotsiny.”

Efa nampoizina hoe tonga dia hampangain’ny manam-pahefana rosianina hoe mpanao heloka bevava ireo mpiara-manompo ireo, taorian’iny bemidina nataon’ny polisy iny. I Yuliya sy ny Vavolombelona hafa moa nampangaina hoe nanao zavatra mampidi-doza hono.

Nalefan’ny manam-pahefana tany amin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan ilay raharaha tamin’ny 3 Martsa 2020. Niato dimy volana ilay fitsarana avy eo, noho ny COVID-19. Niverina tany amin’ny fitsarana anefa i Yuliya tamin’ny 22 Oktobra 2020.

Hoy i Yuliya: “Amin’ny lafiny iray tsy tiako hoe tratran’izao zavatra izao aho. Kanefa amin’ny lafiny iray, faly be aho hoe manohana ny zon’i Jehovah hitondra.”

Hoy koa izy: “Tamin’iny vao tsapako hoe tena nilaiko ilay voalazan’ny Isaia 41:10. Nataoko pirinty ilay andinin-teny dia nahantoko tao an-trano. Amin’izay mba hitako eo foana ny tenin’i Jehovah Andriamanitra, dia mba mahazo toky aho. ... Tena tsapako mihitsy hoe nohatanjahin’i Jehovah ny lohaliko nangovitra.”

Niezaka be i Yuliya mba hitadidy tsianjery andinin-teny maromaro hanampy azy ho tony sy tsy hatahotahotra, ary ho falifaly foana na dia mampitebiteby aza ny zavatra iainany.

Enga anie isika mba ho hendry ka hanomana ny fontsika sy ny saintsika dieny izao ary hanatanjaka ny finoantsika, amin’izay isika ho afaka hiatrika an’izay fitsapana mbola ho avy. Matoky isika hoe ‘tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa ho an’ireo tsy mivadika i Jehovah.’​—Salamo 84:11.

a Mbola mety hiova.