10 JONA 2024
ROSIA
Nahazo Sazy Mihantona Roa Taona ny Rahalahy Igor Kasabov
Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Oktyabrskiy any Tambov ny Rahalahy Igor Kasabov, tamin’ny 14 Mey 2024. Nahazo sazy mihantona roa taona izy. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao.
Ilay voampanga
Matoky isika hoe hitahy an’i Igor sy Irina foana i Jehovah satria ry zareo miantehitra amin’ny heriny.—Habakoka 3:19.
Zava-nitranga
11 Aprily 2023
Nosavana ny tranony, dia nalain’ny manam-pahefana ny fitaovana elektronika tao aminy
12 Aprily 2023
Nampangaina ho mpanao heloka bevava
28 Martsa 2024
Nanomboka ny fitsarana azy
14 Mey 2024
Nomelohina ary nahazo sazy mihantona roa taona