24 JOLAY 2020
ROSIA
Nalefa Fanindroany Any Amin’ny Efitra Fanasaziana ny Rahalahy Dennis Christensen
Nalefa fanindroany any amin’ny efitra fanasaziana antsoina hoe SHIZO ny Rahalahy Dennis Christensen, tamin’ny 15 Jolay 2020. Hijanona any izy hatramin’ny 27 Jolay, fara fahakeliny. Efatra andro fotsiny taorian’ny nanafahana azy avy tao amin’ny SHIZO izany no nitranga. Raha mbola halefa fanintelony any amin’ny SHIZO izy, dia mety hilaza ny tompon’andraikitry ny fonja hoe “mpanakorontana ny filaminan’ny fonja” izy. Raha mitranga izany, dia halefa any amin’ny efitra fanasaziana mafy kokoa (EPKT) izy mandritra ny enim-bolana na latsaka. Mieritreritra ny hampakatra fitsarana ireo mpisolovavan’ny Rahalahy Christensen, satria tsy manaiky an’ireo fanendrikendrehana farany natao taminy.
Sazin’ny manam-pahefana ny Rahalahy Christensen, satria tsy vitany ny asa asaina ataony ao am-ponja noho izy tsy salama. Nasain’ny tompon’andraikitra hiasa ao amin’ny toerana fanjairana ao amin’ny fonja ny Rahalahy Christensen. Niharatsy anefa ny fahasalamany nanomboka tamin’izy niditra am-ponja. Milaza ireo dokotera ao amin’ny fonja hoe vitany ny manao an’ilay asa, raha maka aina tsindraindray sy manao fanatanjahan-tena izy. Efa nisy dokotera iray ivelan’ny fonja anefa nitsabo azy, talohan’izay, ary nilaza io dokotera io fa tsy vitan’ny Rahalahy Christensen ilay asa noho ny fahasalamany.
Tsy afaka mividy sakafo ireo gadra ao amin’ny SHIZO, sady tsy afaka mandray na manao antso an-telefaonina. Tsy azo andefasana entana koa izy ireo, ary tsy azo tsidihina. Afaka mitsidika an’ireo gadra ao amin’ny SHIZO kosa ny mpitory teny, araka ny lalàna. Tsy afaka manasa anti-panahy mba hitsidika azy anefa ny Rahalahy Christensen, satria efa voarara ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia.
Araka ny vaovao navoaka tamin’ny 23 Jona, dia namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Lgov hoe hafahana alohan’ny fotoana ny Rahalahy Christensen ary soloana lamandy ny fotoana ambiny tokony hijanonany ao am-ponja. Andro vitsivitsy taorian’izay anefa, dia tsy nanaiky an’ilay didy ny mpampanoa lalàna ka nampiakatra fitsarana. Toa miray tsikombakomba amin’ilay mpampanoa lalàna ny tompon’andraikitry ny fonja, mba hanosoram-potaka ny lazan’ny Rahalahy Christensen sy tsy hanafahana azy mialoha.
Falifaly foana ny Rahalahy Christensen sy ny vadiny na dia eo aza izany. Tena mampahery antsika ny mahita fa manampy ny mpanompony hiaritra sy ho faly foana i Jehovah, na dia faran’izay mafy aza ny manjo azy ireo.—Kolosianina 1:11.