Hijery ny anatiny

25 JANOARY 2021
ROSIA

Namoaka Didy ny Fitsarana Ambony hoe Tsy Meloka ny Rahalahy Zalipayev

Namoaka Didy ny Fitsarana Ambony hoe Tsy Meloka ny Rahalahy Zalipayev

Nisy didim-pitsarana nivoaka tamin’ny 7 Oktobra 2020 hoe tsy meloka ny Rahalahy Yuriy Zalipayev. Nampakatra fitsarana avy eo ny mpampanoa lalàna, fa nolavin’ny Fitsarana Tampony any amin’ny Repoblikan’i Kabardino-Balkarie tamin’ny 25 Janoary 2021. Mety mbola hampakatra an’io didim-pitsarana farany io ihany ny mpampanoa lalàna. Efa manan-kery anefa io didim-pitsarana farany io, dia ilay hoe tsy meloka izy. Afaka madiodio tamin’ny zavatra rehetra niampangana azy i Yuriy. Afaka mangataka onitra izao izy, amin’ilay izy nomelohina tsy ara-drariny.

Natoky an’i Jehovah Yuriy sady tena be herim-po erỳ teo anatrehan’ny fitsarana, na dia fantany aza hoe mety hitsimbadika ny didim-pitsarana avoakan’ny Fitsarana Tampony. Sahy nanazava teo anatrehan’ny fitsarana i Yuriy, taloha kelin’ny nivoahan’ilay didy, hoe mbola hofoanan’Andriamanitra ny faharatsiana rehetra, dia anisan’izany ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia. Hoy izy: “Na efa maty paika be aza ny tetika ataon’ny mpanohitra, dia misy zavatra tokony ho fantatr’izy ireo. Tsy ho vitan’izy ireo mihitsy ny hahatonga an’ahy tsy hino intsony hoe efa tsy ho ela dia ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Mino aho hoe tsy hisy intsony ny faharatsiana eto an-tany, ary tsy ho ela ny olona samy hafa fiaviana rehetra dia hahita hoe hay ry zareo mpirahalahy sy mpirahavavy ihany. Tsy misy zavatra tokony hoe hampisaraka an-dry zareo. Hoy mantsy ny Baiboly momba an’Andriamanitra: ‘Hamoaka didim-pitsarana eo amin’ireo firenena izy, ka hanitsy an’izay tsy mety eo amin’izy ireo. Dia hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hifamely amin’ny sabatra intsony ireo firenena, sady tsy hianatra ady intsony.’​—Isaia 2:4.

“Tena resy lahatra aho hoe efa tena kely sisa dia ho tanteraka izany!”