Hijery ny anatiny

17 FEBROARY 2021
ROSIA

Namoaka Didy ny Fitsarana Rosianina hoe Meloka ny Ranabavy Yelena Reyno-Chernyshova ary Ampandoaviny Lamandy Izy Noho ny Finoany

Namoaka Didy ny Fitsarana Rosianina hoe Meloka ny Ranabavy Yelena Reyno-Chernyshova ary Ampandoaviny Lamandy Izy Noho ny Finoany

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Birobidzhan any amin’ny Faritra Mahaleo Tena Jiosy ny Ranabavy Yelena Reyno-Chernyshova, tamin’ny 17 Febroary 2021, satria hoe “nandray anjara tamin’ny asan’ny fikambanana mampidi-doza.” Nampandoavina 10 000 roubles (135 dolara amerikanina) izy.