7 OKTOBRA 2020
ROSIA
Namoaka Didy ny Fitsarana Rosianina hoe Tsy Meloka ny Rahalahy Yuriy Zalipayev!
Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Mayskiy any amin’ny Repoblikan’i Kabardino-Balkarie, tamin’ny 7 Oktobra 2020 hoe tsy meloka ny Rahalahy Yuriy Zalipayev. Afaka madiodio tamin’ny zavatra rehetra niampangana azy izy. Mbola afaka mampakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa ny fampanoavana ato anatin’ny folo andro.
Nolazain’ny mpampanoa lalàna fa mampirisika olona hahery setra ny Rahalahy Zalipayev. Olona 30 mahery anefa no nijoro ho vavolombelona hoe nampirisika olona hamaky Baiboly sy ho tsara fanahy amin’ny olon-drehetra fotsiny no nataony.
Vao haingana koa ny Fikambanana Manadihady Momba ny Fanagadrana Olona Tsy Ara-drariny no nanamafy fa tsy mahery setra mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah ary tsy mampirisika olona hanao an’izany. Anisan’ny nahatonga an’ilay fitsarana hamoaka an’io didy io izany.
Hoy ny Rahalahy Zalipayev taorian’ny nivoahan’ilay didim-pitsarana: “Efa nieritreritra ny havako sy ny namako hoe higadra aho. Misaotra an’i Jehovah aho satria nampiany ho tony tsara foana nandritra ny fitsarana ahy. Faly aho sady misaotra ny olona rehetra niaro ahy.”