Hijery ny anatiny

Ny Rahalahy Aleksey Metsger, izay nomelohin’ny fitsarana rosianina sy nampandoaviny vola satria nampihatra an’izay inoany

21 NOVAMBRA 2019
ROSIA

Nampandoavin’ny Fitsarana Rosianina 350000 Roubles ny Rahalahy Aleksey Metsger fa Tsy Nogadrainy Telo Taona

Nampandoavin’ny Fitsarana Rosianina 350000 Roubles ny Rahalahy Aleksey Metsger fa Tsy Nogadrainy Telo Taona

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Ordzhonikidzevskiy any Perm ny Rahalahy Aleksey Metsger, tamin’ny alakamisy 14 Novambra 2019, ary nampandoaviny 350000 roubles (20000000 ariary eo ho eo). Efa 12 izao ny rahalahy nomelohin’i Rosia, tamin’ity taona ity, ary izy no farany. Tsy nanao ratsy anefa izy fa nanompo an’Andriamanitra sy niresaka tamin’ny olona momba azy fotsiny. Nampakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa ny mpisolovavan’ny Rahalahy Metsger.

Nampangaina ho mpanao heloka bevava ny Rahalahy Metsger, tamin’ny 25 Aprily 2019, satria hoe Vavolombelon’i Jehovah izy. Anisan’ny porofo niampangana azy ny resaka nifanaovany tamin’ny olona momba ny fivavahana. Nisy naka feo an-tsokosoko mantsy ireny resaka ireny.

Nanomboka tamin’ny 14 Oktobra 2019 ny fitsarana ny Rahalahy Metsger. Nangataka ny hanagadrana azy telo taona ny mpampanoa lalàna. Nomelohin’ilay fitsarana ny Rahalahy Metsger na dia tsy nogadrainy aza. Mampanahy antsika izany satria mety hanao hoatr’izany koa ny fitsarana hafa ka hiampanga ny rahalahy sy anabavintsika hafa noho ny finoany.

Matoky isika hoe hampahery sy hanatanjaka ny mpiara-manompo amintsika foana i Jehovah, na dia enjehin’ny manam-pahefana any Rosia tsy amin’antony aza izy ireo.—Salamo 119:76, 161.