Hijery ny anatiny

12 FEBROARY 2020
ROSIA

Nampangaina ho Mpanao Heloka Bevava ny Rahalahy Yevgeniy Aksenov Satria Niresaka Momba ny Baiboly

Nampangaina ho Mpanao Heloka Bevava ny Rahalahy Yevgeniy Aksenov Satria Niresaka Momba ny Baiboly

Amin’ny zoma 14 Febroary 2020 ny Fitsaram-paritr’i Zheleznodorozhniy ao Khabarovsk no hamoaka ny didim-pitsarana momba ny Rahalahy Yevgeniy Aksenov. Nangataka ny mpampanoa lalàna mba hogadraina telo taona izy.

Nivory niaraka tamin’ny namany tao amin’ny efitra fivorian’ny hotely iray ny Rahalahy Aksenov, tamin’ny 21 Aprily 2018. Noresahiny tamin’izay nanatrika teo ny toro lalan’ny Baiboly izay manampy ny fianakaviana hifankatia. Nolazaina fa “mampidi-doza ny fiaraha-monina” ny Rahalahy Aksenov ary nampangaina hoe “mikarakara zavatra ataon’ny fikambanana mampidi-doza.” Nanomboka tamin’ny 21 Oktobra 2019 ny fitsarana azy.

Hivoaka tsy ho ela ny didim-pitsarana momba ny Rahalahy Aksenov. Mivavaka isika mba hitoky amin’i Jehovah foana izy sy ny fianakaviany ary hatoky an’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe “tsy ho ory na inona na inona” izay tsy mivadika aminy.—Salamo 34:9.