Hijery ny anatiny

Ny Anabavy Lyudmila Shut

30 APRILY 2021
ROSIA

Nampangaina ho Nanao Heloka Bevava ny Anabavy 73 Taona Sady Kilemaina ka Miantehitra Amin’i Jehovah

Nampangaina ho Nanao Heloka Bevava ny Anabavy 73 Taona Sady Kilemaina ka Miantehitra Amin’i Jehovah

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fangatahana Nataon’ny Anabavy Lyudmila Shut, Rehefa Nampakatra Fitsarana Izy

Nolavin’ny Fitsarana any amin’ny Faritanin’i Primorye, tamin’ny 25 Aogositra 2021, ny fangatahana nataon’ny Anabavy Lyudmila Shut, rehefa nampakatra fitsarana izy. Mbola manan-kery izao ny sazy nomena azy tamin’ny voalohany. Tsy migadra izy amin’izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Nadezhdinskiy, any amin’ny Faritanin’i Primorye, ny Anabavy Lyudmila Shut, 73 taona, tamin’ny 19 Mey 2021. Nomena sazy mihantona efa-taona izy.

Ilay voampanga

Lyudmila Shut

  • Teraka: 1947 (tany Makarov, Nosy Sakhaline)

  • Mombamomba azy: Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 2000 tany ho any. Tena nahaliana azy ny faminanian’ny Baiboly. Natao batisa tamin’ny 2003. Maty tamin’io taona io koa ny vadiny. Manan-janaka telo sy zafikely telo izy. Manana aretina mitaiza izy dia tsy afaka mandeha raha tsy misy manampy

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanomboka nanara-maso ny Vavolombelon’i Jehovah tao Razdolnoye ny manam-pahefana, tamin’ny Novambra 2017. Nampangain’ny manam-pahefana hoe mpanao heloka bevava ny Anabavy Lyudmila Shut, tamin’ny Febroary 2020. Mbola nosazin-dry zareo ihany izy na dia efa be taona sy marary aza ka tsy navelan-dry zareo nivoaka ny faritra nisy azy izy.

Vao mainka niharatsy ny fahasalaman’i Lyudmila sady lasa mitebiteby lava izy, vokatr’ilay fanadihadiana lava sy fitsarana natao taminy. Niha tsy nahita koa ny masony, ka nila fandidiana mihitsy aza. Lasa tsy mahita tory lava izao izy. Resy lahatra anefa i Lyudmila fa raha miantehitra amin’i Jehovah sy matoky azy tanteraka izy dia harovany. Efa nampanantena mantsy i Jehovah ao amin’ny Isaia 26:3, hoe tsy maintsy hanome ny ‘fiadanany foana’ izy.

Tena tia be an’i Lyudmila ny mpiara-manompo ka manohana azy foana. Anisan’ny tena mahafaly azy ny mahafantatra hoe mivavaka ho azy ny rahalahy sy anabavy. Hoy i Lyudmila: “Tsy hohadinoiko mihitsy izany.”

Manohana azy foana koa ny zanany lahy sy ny zanany faravavy amin’izao zavatra iaretany izao, na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza ry zareo.

Mandra-piandrintsika ny didim-pitsarana dia matoky tanteraka isika fa mbola ‘hiantehitra amin’ny herin’Andriamanitra’ foana ny Anabavy Shut.​—2 Timoty 1:8.