18 FEBROARY 2020
ROSIA
Nampijalijalin’ny Manam-pahefana any Tchita, Rosia, ny Rahalahy Vadim Kutsenko
Nampijalijalin’ny manam-pahefana any Tchita, Rosia, ny Rahalahy Vadim Kutsenko, izay Vavolombelon’i Jehovah, ny alin’ny 10 Febroary 2020. Nokapohina imbetsaka izy, nosemporina, ary nodorana tamin’ny herinaratra ny kibony sy ny tongony. Nanontanintanian’izy ireo momba ny Vavolombelon’i Jehovah hafa izy sady nampijalijalin’izy ireo.
Trano efa ho 40 an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Tchita no nosavan’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), ny marainan’io, ary anisan’izany ny tranon’ny Rahalahy Kutsenko. Tamin’ny 11 ora alina no nisambotra azy tao an-tranon’ny rafozany ny polisy manokana. Nasiana gadra vy ny tanany, nosaronana ny lohany, ary nentina tany anaty ala izy mba hampijalijalina. Tsy nety nilaza na inona na inona momba ny Vavolombelon’i Jehovah namany anefa izy na dia nampijalina aza. Nentin’ireo polisy manokana ireo tany amin’ny biraon’ny mpanao famotorana izy, rehefa hitan’izy ireo hoe tsy vitany ny nampiteny azy.
Nogadraina avy eo ny Rahalahy Kutsenko ka nampiarahina tamin’ny Rahalahy Sergey Kirilyuk sy Pavel Mamalimov ary Vladimir Yermolayev. Nosamborina koa izy ireo taorian’ilay fisavana trano tany Tchita.
Namoaka didy ny Fitsaram-paritr’i Ingodskiy, roa andro taorian’izay, hoe tanana am-ponja vonjimaika telo andro ny Rahalahy Kutsenko sy Kirilyuk ary Mamalimov. Nafahan’ilay fitsarana kosa ny Rahalahy Yermolayev ary ambenana ao an-tranony izy izao.
Nafahana ny Rahalahy Kutsenko sy Kirilyuk ary Mamalimov, tamin’ny 15 Febroary, satria tsy ampy porofo hiampangana azy ireo ilay mpanao famotorana. Tsy notsaraina akory ireo rahalahintsika ireo dia navotsotr’ilay mpanao famotorana, ary tsy misy fameperana apetraka amin’izy ireo.
Mivavaka ho an’ny Rahalahy Kutsenko sy ny mpiara-manompo any Rosia isika mba ho be herim-po sy hatanjaka izy ireo, ary matoky tanteraka isika hoe hanohana azy ireo foana i Jehovah na inona na inona fitsapana atrehin’izy ireo.—Josoa 1:7, 9.