Hijery ny anatiny

Rahalahy Konstantin Moiseyenko sy Margarita vadiny

7 JOLAY 2021
ROSIA

Nanatanjaka ny Rahalahy Konstantin Moiseyenko ny Modely Nomen’ny Hafa

Nanatanjaka ny Rahalahy Konstantin Moiseyenko ny Modely Nomen’ny Hafa

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana Ambony

Nolavin’ny Fitsarana any Amour ny fangatahan’ny Rahalahy Moiseyenko hampiakatra Fitsarana Ambony, tamin’ny 9 Septambra 2021. Mbola manan-kery noho izany ilay sazy nomena azy tamin’ny voalohany. Mbola tsy naiditra am-ponja aloha izy izao.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Zeyskiy any amin’ny Faritr’i Amour ny Rahalahy Konstantin Moiseyenko, tamin’ny 14 Jolay 2021. Nahazo sazy mihantona enin-taona izy. Mbola tsy migadra aloha izy izao.

Ilay voampanga

Konstantin Moiseyenko

  • Teraka: 1976 (tany Abakan, Repoblikan’i Khakassie)

  • Mombamomba azy: Manan-jandry roa lahy kambana. Nanao haiady tamin’izy tanora. Lasa injeniera sy mpikirakira ordinatera

    Nanambady an’i Margarita izy tamin’ny 1998. Mpamorona didin’akanjo no asan’i Margarita. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy mivady tamin’ny voalohandohan’ny taona 2000. Hitan’i Konstantin hoe mifanaraka tsara amin’ny tantara sy ny siansa ny Baiboly, dia vao mainka izy te hianatra. Natao batisa tamin’io taona io ihany izy mivady

    Maty ny dadany folo taona lasa izay. Nikarakara ny bebeny jamba nandritra ny enin-taona, mandra-pahafatin’ilay bebeny vao tsy ela izay

Mombamomba an’ilay raharaha

Nampangain’ny Sampan-draharaha Mpanao Famotorana ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) any amin’ny Faritr’i Amour ho mpanao heloka bevava ny Rahalahy Konstantin Moiseyenko, tamin’ny 11 Martsa 2019. Nisy miaramila nanao bemidina tany an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah dimy vokatr’izany, ary anisan’izany ny tranon’i Konstantin. Nalain’ireo manam-pahefana ireo ny anton-taratasin’izy ireo sy ny telefaoniny ary ny ordinaterany entin-tanana. Nampidirin’ny Federasionan’i Rosia tao anatin’ny lisitry ny olona mampidi-doza i Konstantin, ka lasa tsy afaka maka vola ao amin’ny kaontiny any amin’ny banky intsony.

Tadidin’i Konstantin fa nampahery azy ny nanatrika fivoriambe iray niaraka tamin’ny vadiny tany Séoul, any Korea Atsimo, tamin’ny 2018. Nasain’ny mpandahateny anankiray hitsangana izay mpanatrika efa nigadra satria tsy nety nanao miaramila. Hoy i Konstantin: “Efa ho ny rahalahy rehetra nanatrika tao amin’ilay kianja no nitsangana. Hoy [ilay mpandahateny]: ‘Jereo ange e! Mbola ireo ry zareo ary tsy misy maninona.’ Hitako tamin’iny hoe azo atao tsara ny miaritra rehefa iharam-pitsapana.” Nanasongadina ny Salamo 23:5 koa ilay mpandahateny. Izao no lazain’io Salamo io: “Manomana latabatra ho ahy eo anoloan’ny fahavaloko ianao. Mahatsiaro ho velombelona aho rehefa hosoranao menaka ny lohako; feno mitafotafo ny kaopiko.” Tadidin’i Konstantin hoe tena nanohina ny fony ireo teny ireo tamin’izay.

Tena nahafaly an’i Konstantin koa ilay hoe nanohana azy ny mpiara-manompo. Nahavariana azy hoe misy mpiara-manompo avy amin’ny firenena isan-karazany eran-tany liana amin’ny tantarany, sady mivavaka ho azy. Nilaza i Konstantin hoe: “Mahita mpiara-manompo be dia be aho, hoatran’ny hoe vahoaka be mijoro eo akaikin’ireo rahalahy sy anabavy enjehina eto amin’ny firenenay ry zareo. Manao hoatran’ilay voalaza ao amin’ny tapany faharoa amin’ny 1 Jaona 3:16 ry zareo hoe: ‘Tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho an’ny rahalahintsika ... isika.’”

Faly isika mahita hoe mbola manatanjaka ny mpiara-manompo amintsika any Rosia foana i Jehovah. Manome toky antsika izany hoe hanome “hery sy tanjaka” ho antsika koa izy rehefa enjehina hoatr’azy ireo isika.​—Salamo 68:35.