Hijery ny anatiny

Rahalahy Igor Avramenko, izay maty vao haingana, miaraka amin’i Yelena vadiny

30 MARTSA 2020
ROSIA

Nataon’ny FSB Savahao ny Tranon’ny Rahalahy Iray Efa Maty any Rosia

Nataon’ny FSB Savahao ny Tranon’ny Rahalahy Iray Efa Maty any Rosia

Tsy nisy antra mihitsy ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB) rehefa nanao savahao ny tranon’ny Rahalahy Igor Avramenko, tany Khabarovsk, any Rosia. Tamin’ny 23 Martsa 2020 izany no nitranga, enina andro taorian’ny nahafatesan’io rahalahy io. Nasehon’izy ireo an’ny Ranabavy Yelena Avramenko ny fahazoan-dalana hisava an’ilay trano, ary nisy ny anaran’ny Rahalahy Igor teo amin’ilay izy. Tsy fisavana fotsiny anefa no nataon’izy ireo fa nalainy koa ny ordinatera, kamerà, ary entana hafa an’i Yelena, vady navelan’i Igor.

Tonga tany am-piasan’ny Ranabavy Yelena ny mpitandro filaminana taloha kelin’izay ary nitondra azy nody. Efa niandry azy tany i Stanislav Grebenkin, lehiben’ny mpanao famotorana, ary nampiseho an’ilay fahazoan-dalana. Nilaza tamin’Atoa Grebenkin ny Ranabavy Yelena hoe efa maty ny vadiny. Efa fantany, hono, izany fa efa nivoaka talohan’izay ilay fahazoan-dalana, dia tsy maintsy atao ihany ilay savahao.

Nomeny toky ny Ranabavy Yelena hoe hijerijery amin’ny ankapobeny fotsiny izy ireo, satria ilaina izany mba “hamaranana an’ilay raharaha haingana sy handefasana azy any amin’ny arisiva [an’ny FSB].” Nokorontanin’izy ireo ambony ambany anefa ny tranon’ilay anabavy.

Vavolombelon’i Jehovah folo no efa nampangaina ho mpanao heloka bevava any Khabarovsk. Manao izay ho afany ny manam-pahefana mba hanimbana ny finoan’ireo rahalahy sy anabavy any Rosia. Fantatsika anefa fa tsy kivy izy ireo satria tony foana sady matoky an’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana.—Isaia 30:15.