Hijery ny anatiny

Ranabavy Yelena Barmakina miaraka amin’i Dmitriy vadiny, eo ivelan’ny Fitsaram-paritr’i Pervorechenskiy, any Vladivostok

29 SEPTAMBRA 2020
ROSIA

Naverin’ny Mpitsara any Amin’ny Mpampanoa Lalàna ny Raharaha Momba ny Ranabavy Yelena Barmakina Satria Tsy Ampy ny Porofo Iampangana Azy

Naverin’ny Mpitsara any Amin’ny Mpampanoa Lalàna ny Raharaha Momba ny Ranabavy Yelena Barmakina Satria Tsy Ampy ny Porofo Iampangana Azy

Tsy namoaka didim-pitsarana momba ny Ranabavy Yelena Barmakina ny Fitsaram-paritr’i Pervorechenskiy, any Vladivostok, tamin’ny 29 Septambra 2020. Naverin’ny fitsarana any amin’ny mpampanoa lalàna kosa ilay raharaha. Nilaza ny mpitsara fa tsy ampy ny porofo nentin’izy ireo, nefa izy ireo niampanga ny Ranabavy Barmakina ho nanao zavatra mampidi-doza. Azon’ny mpampanoa lalàna atao ny mampiakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa. Azony atao koa anefa ny mitady porofo fanampiny hiampangana ny Ranabavy Barmakina mba hahafahan’ny fitsarana manohy mitsara azy.