Hijery ny anatiny

Avy eo ankavia miankavanana: Aleksey Budenchuk, Konstantin Bazhenov, Feliks Makhammadiyev, Aleksey Miretskiy, Roman Gridasov, ary Gennadiy German, talohan’ny nisamborana azy ireo

23 SEPTAMBRA 2019
ROSIA

Niampy Enina Indray ny Rahalahy Nomelohina sy Nogadraina any Rosia

Niampy Enina Indray ny Rahalahy Nomelohina sy Nogadraina any Rosia

Nomelohina sy nogadraina ny rahalahy enina any Saratov, Rosia, tamin’ny alakamisy 19 Septambra 2019, satria fotsiny hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo.

Namoaka didy nanameloka lehilahy Vavolombelon’i Jehovah enina mba higadra elaela i Dmitry Larin, mpitsara ao amin’ny Fitsaram-paritr’i Leninskiy any Saratov. Nomelohina higadra daholo izy ireo ka telo taona sy tapany no sazin’ny Rahalahy Konstantin Bazhenov sy Aleksey Budenchuk, telo taona ny an’ny Rahalahy Feliks Makhammadiyev, ary roa taona ny an’ny Rahalahy Roman Gridasov sy Gennadiy German ary Aleksey Miretskiy. Tsy mahazo mitarika fikambanana mandritra ny dimy taona koa izy ireo rehefa avy manefa ny saziny. Tsy manaiky an’ilay didim-pitsarana izy ireo ka hampakatra an’ilay raharaha any amin’ny fitsarana ambony kokoa.

Trano fito an’ny Vavolombelon’i Jehovah any Saratov no nanaovan’ny polisy bemidina, tamin’ny 12 Jona 2018. Nampangaina ho mpanao heloka bevava izy enina mirahalahy taorian’izay. Samy manam-bady aman-janaka daholo izy enina mirahalahy, saingy mbola mianatra ny zanaky ny Rahalahy Budenchuk. Notanana am-ponja vonjimaika herintaona latsaka kely ny Rahalahy Budenchuk sy Bazhenov ary Makhammadiyev, taorian’ny nisamborana azy ireo.

Nanonona andinin-teny maromaro mandrisika azy ireo tsy hivadika izy enina mirahalahy, tamin’ny teniny farany teo anatrehan’ny fitsarana, ary nilaza fa tsy mankahala an’ireo niampanga azy.

Rahalahy fito izao no nomelohina sy nogadraina any Rosia. Rahalahy sy anabavy 250 mahery izao no voampanga ho mpanao heloka bevava any Rosia, ka ny 41 amin’izy ireo no tanana am-ponja vonjimaika sy gadraina, ary ny 23 no ambenana ao an-tranony.

Mivavaka ho an’ny mpiara-manompo be herim-po sy tsy mivadika any Rosia isika. Enga anie izy ireo ka ‘hatanjahina amin’ny hery rehetra, araka ny haben’ny [herin’i Jehovah] be voninahitra, mba hiaritra tanteraka sady haneho fahari-po amim-pifaliana.’—Kolosianina 1:11.