Hijery ny anatiny

Farany ambony (ankavia miankavanana): Ny Rahalahy Nikolay Anufriyev; Rahalahy Eduard Merinkov sy Valentina vadiny; Rahalahy Gennadiy Polyakevich; ary ny Rahalahy Aleksandr Prilepskiy

Farany ambany (ankavia miankavanana): Ny Rahalahy Viktor Shchannikov sy Viktoria vadiny; Rahalahy Gennadiy Skutelets; ary ny Rahalahy Aleksandr Vorontsov sy Yelena vadiny

20 JANOARY 2022
ROSIA

Niantehitra Tamin’ny Herin’ilay Mpamorona Azy ny Rahalahy Fito any Rosia

Niantehitra Tamin’ny Herin’ilay Mpamorona Azy ny Rahalahy Fito any Rosia

Tsy ho ela ny Fitsaran’i Petchora any amin’ny Repoblikan’i Komi dia hamoaka didim-pitsarana momba ny Rahalahy Nikolay Anufriyev, Eduard Merinkov, Gennadiy Polyakevich, Aleksandr Prilepskiy, Viktor Shchannikov, Gennadiy Skutelets, ary Aleksandr Vorontsov. Mbola tsy nolazain’ilay mpampanoa lalàna ny sazy omena azy ireo.

Zava-nitranga

  1. 28 Janoary 2020

    Nanao savahao trano 12 ana fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Repoblikan’i Komi ny manam-pahefana. Nampangaina hoe mpanao heloka bevava ny Rahalahy Polyakevich sy Skutelets

  2. 30 Janoary 2020

    Notanana am-ponja vonjimaika i Gennadiy Polyakevich, dia i Gennadiy Skutelets indray nambenana tao an-trano

  3. 20-25 Mey 2020

    Natao famotorana koa ny mpiara-manompo sasany tany Petchora, mba hijerena raha mpanao heloka bevava koa ry zareo. Tapaka lalàn-dra ny rahalahy iray fa norahonan’ny mpanao famotorana iray. Efa sitrana izy izao

  4. 26 Jona 2020

    Nohalavaina ny fotoana nitanana an’i Gennadiy Polyakevich tany am-ponja. Nilaza ilay mpitsara fa voampanga ho “nanao fanahy iniana nanao heloka bevava i Gennadiy Polyakevich.” Anisan’ny heloka bevava nataony, hono, ny niteny hoe “mila manohy manompo an’i Jehovah na dia enjehin’ny manam-pahefana aza”

  5. 24 Aogositra 2020

    Nanao savahao trano 12 fanampiny ana fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana

  6. 10 Novambra 2020

    Nampangaina hoe mpanao heloka bevava i Aleksandr Prilepskiy, Aleksandr Vorontsov, Eduard, Nikolay, ary Viktor. Nampiarahina tamin’ilay raharaha mahakasika an’i Gennadiy Polyakevich sy Gennadiy Skutelets io raharaha io

  7. 25 Novambra 2020

    Nafahana i Gennadiy Polyakevich dia avy eo nambenana tao an-trano, rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny 300 andro

  8. 27 Janoary 2021

    Nafahana i Gennadiy Skutelets rehefa avy nambenana tao an-trano nandritra ny 363 andro

Ilay voampanga

Matoky isika fa hovalian-tsoa be ny mpiara-manompo amintsika, na amin’izao na amin’ny hoavy, satria mino hoe tsara toetra i Jehovah.​—Salamo 27:13.